Manohana tanteraka ny tondrozotra natao sonia teny Ivato izahay, hoy Atoa Serge Ratovondrainy filohan’ny antoko Madagasikara Firaisankina (MAFI), na ilay tamin’ny 19 martsa 2011 na ny 17 septambra farany teo ihany koa.
Marihina fa anisan’ireo niala tao amin’ny Magro Behoririka ny MAFI ka nanara-dia ny elatra Yves Aimé Rakotoarison ary mpikambana ao amin’ny GMMR ankehitriny ity antoko ity. Ny antony dia satria ny SADC no nanao azy ireo, ary dia izay mihitsy no nahatonga azy ireo niala tao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Aminy, mila tafiditra ato anatiny ny tena fa raha tsy ao anatin’ny rafitra tsy afaka miady amin’ny tanjona tian-kotratrarina satria ao no ahitana ny zava-misy manontolo.
Notsipihan’ity filohan’ny Madagasikara Firaisankina ity kosa anefa fa ry zareo dia tsy miala amin’ireo fepetra 4 efa notakiana hatramin’izay dia ny fangatahana ny fiverenan-dRavalomanana saingy ao anatin’ny fitoniana, fampiharana ara-bakiteny ny fitoniana ara-politika, fitakiana ny famoahana ireo gadra politika rehetra ankoatra ireo efa navoaka ary ny fanafoanana ny sazin’ireo izay nahazo izany. Mitaky ny tokony hidiran’ny ankolafy rehetra ao anaty governemantan’ny marimaritra iraisana ity antoko ity na dia mafy ho an’ny Magro aza ny hanaiky an-dRajoelina hitantana ny tetezamita. Efa nekena tany
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.