Tsy mila tetezamita intsony i Madagasikara fa aleo hiroso ny fifidianana fa izay no vahaolana, hoy ny Liaraike tarihan’i Kaleta. Raha resy dia manaova toy ny amin'ny Judo : Miondrika.
Milatsaha indray ho fidiana solombavambahoaka na ben'ny tanàna hanompoana firenena, hoy ny Liaraike tarihin’i Kaleta. Mangataka ny hilatsahan'i Andry Rajoelina ho fidiana indray ny antoko Liaraike nandritry ny kongresy nasionaly natao tao Amboasary omaly. Nanamarika ihany koa ity antoko ity fa tsy azo ekena ny resaka adim-poko .Tsy mila korontana i Madagasikara , ary raha resaka tetezamita dia ianareo no mieritreritra fa tsy ny filoham-pirenena mihitsy, nanamafy i Kaleta fa tena hisy ny fifidianana filohan’ny repoblika . Etsy ankilan’izay manao antso avo ihany koa ny Liaraike fa manana hatramin’ny faha 31 may ny olom-pirenena tokony hifidy amin’ny fisoratana anarana anaty lisipifidianana . Nanao karazana sarin-teny mifono hevitra politika i Kaleta sy ny mpiara-dia aminy raha niteny hoe : « ianareo mpanao judo, miondrika be rehefa resy, milatsaha ben’ny tanàna, na depiote, na senatera ». Zafy Albert rehefa tsy lany ben’ny tanànan’Antsiranana dia nanao depiote , hoy izy ireo. Nanome hafatra ho an’ireo ben’ny tanàna ihany koa ity kongresin’ny antoko Liaraike ity nanao hoe : aoka hampandroso, aza simbaina ny kaominina, 'ny fanjakana manampy .Eo amin’ny resaka fandriampahalemana dia mila tohizana ny firaisankinan’ny mpitandro filaminana, hoy ny Liaraike ary tsy tokony ho baikonan’ny mpanao politika noho ny tombotsoa manokana izy ireo fa tena ho an’ny tanindrazana sy ny vahoaka tokoa.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.