Politique

Antoko Leader Fanilo Tsy azo ekena intsony ny fandatsahan-dra


  • Alarobia 25 Aprily 2018

Sesilany ny fanambarana ataon`ireo mpanao politika manoloana ny toe-javatra nampalahelo niseho tetsy Analakely ny sabotsy 21 aprily teo. Nanao fanambarana ny antoko Leader fanilo tarihin-dRabesa Zafera Antoine sy Lalaina Berthnes tetsy Antaninandro omaly talata 24 aprily tetsy Antaninandro.

 

 Fanambarana manameloka ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana tamin`ireo vahoaka tia tanindrazana lavon’ny bala nandritra ny fihetsiketseham-bahoaka am-pilaminana. Ankoatra izay dia maneho fiaraha-miory amin`ireo fianakaviana izay niharan-doza ka namoy ny ain`ny hava-malalany noho ny herisetra sy hetraketraka nasetrin`ireo izay natao hitandro sy hiaro ny Malagasy sy ny fananany izy ireo kanefa tonga nandatsa-dra sy namono nahafaty indray. Mankahery, mampitraka ary miombom-pahoriana amin`ireo fianakaviana izy ireo noho izany. Niarahaba sy nidera kosa ny risi-po sy fahavononana nasehon`ireo depiote nanatontosa ny adidiny mikasika ny tatitra, araka ny voafaritra tsara eo amin`ny sata mifehy ny Antenimieram-pirenena. Nanambara koa ny antoko fa tsy mankasitraka velively ny fampiasana hery nataon`ireo miaramila hitandro filaminana kanefa lasa herim-pamoretana miaro ny tombontsoan`ny fitondrana ka namoizana ain`olona sy maratra maro. Maniry amin`ny saina tony sy feno fanantenana ny Leader Fanilo ny hiverenan`ny filaminana haingana eto an-drenivohitra sy eran`i Madagasikara amin`ny fe-potoana akaiky indrindra.


Marigny A. sy J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT