Antoko HVM

Raha tianareo hilamina ny fifidianana dia avelao halalaka ny rehetra”


  • Talata 12 Septambra 2023

Manatsikafona hatrany ny tombo sy hala mikasika ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana ireo antoko sy mpifaninana ao anatin’ny fifidianana.

Ho an’ny Antoko HVM izay manana ny kandida dia Atoa Hery Rajaonarimampianina, dia nohamafisin’Atoa Alain Désiré Rasambany omaly, fa ny antokon’ny fitondrana afaka nanao hetsika malalaka teny amin’ny CCI Ivato sy tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, fa ireo kandida hafa nosakanana teny Mandrimena Andoharanofotsy namoahana mpitandro filaminana mitam-basy, kanefa samy anaty efitrano izao. “Raha tianareo hitovy ny zon’ireo kandida ary tiana hilamina sy hangarahara ny fifidianana dia ampitao any amin’ny governemanta ny fanafoanana ilay naoty nataon’ny Minisiteran’ny atitany mikasika ny tsy fahafahana mamory olona ankalamanjana manomboka”, hoy io solontenan’ny HVM io. Notsipihiny fa tokony ho afaka mamory olona ny antoko sy ny kandida mahakasika ny zavatra tiany hatao sy ny foto-kevitra tiany hozaraina amin’ny vahoaka satria anatin’ny “pré-campagne” izao raha ny lalàna no arahina. Hajaina foana ny lalàna, fa mampiteraka ahiahy satria ny governemanta miara-mitantana dia fantatra tsara hoe: iza no nametraka azy, dia ilay kandida filoham-pirenena izay vao nivoaka avy teo amin’ny fahefana, ary Atoa Praiminisitra ihany koa dia tao anatin’ny “camp TGV” izay efa nikarakara fifidianana tamin’ny 2018 ka amin’ny fomba ahoana moa no hahatokisanay hoe: tsy mitanila makany amin’ny tombotsoan’olon-tokana tokoa ny fomba fiasan’ny governemanta? hoy Atoa Alain Désiré Rasambany. “Enga anie mba hitazona ny tsy fitanilana tokoa, fa raha tsy izay dia hikorontana eto isika satria fantatsika fa mafampana ny toe-draharaha amin’izao. Izahay nametraka fitoriana tamin’ny HCC dia nampidirina anaty “tiroir” fotsiny hoe tsy azo raisina! Tsy mampaninona, tsy hoe kanosa ireo kandida ireo fa manana mpanolotsaina amin’ny lafiny lalàna be dia be ka niroso tamin’izany fitoriana izany. Hitondra filaminana any amin’ny zotram-pifidianana ve ny nanaovan’ny HCC iny fanapahana iny?”, hoy I Alain Désiré Rasambany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT