Politique

Antoko HVM « Marary ny vahoaka, mila manangana Firenena tsara fototra »


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Nanokatra ny fidirana politikany ny Antoko HVM ny sabotsy 15 febroary teo. Nandritra io no nilazan’ny Filoha

mpanorina azy dia ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina fa mila mamorona firenena tsara fototra isika.Tsy maintsy firenena manana toekarena matanjaka sy rafi-pampandrosoana maharitra no hapetraka raha te-handroso. Marika iray hametrahana ny fitiavan-tanindrazana ny fanajana lalàna ka ny mpitondra no modely voalohany, eo ihany koa ny fanajana ny fihavanana ary indrindra ny demokrasia izay mihemotra amin’izao fotoana izao. Mila fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara satria io no fototra voalohany hoetina hampandrosoana. Sehatra iray hafahana mandinika ny raharam-pirenena ny antoko politika ka miantso ireo mpikambana HVM rehetra i Hery Rajaonarimampianina mba hametraka fijery alavitra sy hemerina ny soatoavina ary hanadihady. Nanamafy ny HVM tamin’ny alalan’ny Filoha nasionaliny Rivo Rakotovao, fa mikorosy fahana ny fitondrana, miampanga ireo miteny ny tsy mety ho mpanakorontana ny Fanjakana. « Sao dia mitondra Firenena ho an’ny olona vitsy an’isa ianareo. Tsy manenjika mpandraharaha, fa ny HVM tsy manenjika mpandraharaha , manosika ny fandraharahana malalaka, manosika ny Fanjakana fa hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana. Tsy miombon-kevitra kosa amin’ny Fanjakana miditra amin’ny fiarovana tombotsoana mpandraharaha vitsivitsy hamono ny mpandraharaha betsaka eto amin’ny Firenena », hoy i Rivo Rakotovao. Naneho fa mijoro sy mamporisika ny Fanjakana mba hitodika sy tena hijery ny tombotsoan’ny Firenena ny HVM. Nanaitra ny Filoham-pirenena hijery ny tena fahoriam-bahoaka, ka nanipika fa tsy ny Filoha no tsy tiana fa ny fomba fitantanana. Nampahatsiahy fa raha nitsangana tamin’ny 2019 ny HVM, dia nanolo-kevitra hanamafy ny tolotra ara-toekerana ato anatiny hanampiana ireo tantsaha sy ireo orinasa mandalo fahasahiranana noho ny zava-misy eran-tany. Nanamarika fa efa nanomboka nijery ireo firenen-dehibe fa hijery ny ao anatiny, ary mbola nampian’ny coronavirus. Tsy nisy fihainoana…
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT