Mahavaka ny sain’ny maro ihany ny fisesisesin’ny fanambarana politika tato ho ato, indrindra ny resaka filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena.
Manoloana ny zava-misy dia manao izay ho afany amin’ny fanapariahana vola ny antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara na ny HVM, raha ny vaovao niely tato ho ato. Sarotra anefa ny hino fa tsy ho very amin’izay resaka kilalaom-bola mahazatra azy izay ity antoko ity. Ankoatra ireo fanambarana marobe maneho sahady fa maro ireo manam-bola ankoatra ny HVM dia re koa ankehitriny fa maro ireo mpandraharaha malaza sy mpanefoefo efa mivondrona hanohana kandida tokana leo izao fitondrana izao. Raha ny fihetsiky ny sehatra iraisam-pirenena rahateo dia na izy ireo koa aza hita ho efa manilika an-kolaka izao fitondrana izao. Ity fitondrana ity rahateo no nanehoan’ny sehatra iraisam-pirenena tahana kolikoly be indrindra sy tsy fandriampahalemana ary fahantrana naterak’izany raha jerena ireny navoakan’ny Transparency International sy FMI farany teo ireny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.