Nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny solombavambahoaka Liahosoa Malement teny amin’ny Antenimieram-pirenena, omaly, ny vondrona parlemantera Hiaraka Isika fa tsy nanolotra kandidŕ ho amin’ny fifidianana Senatera ho avy.
Tsy miankina amin’ny fanapahan-kevitra politika tarihan’ny filoha nasionalin’ny antoko, Albert Camille Vital izay miaraka amin’ny vondrona ARMADA, izao fanambaranay izao, hoy ity depiote lany avy any Ampanihy Andrefana ity, fa anay depiote Hiaraka Isika manokana. Izahay kosa anefa dia manao fisokafana amin’izay mety hitovy hevitra aminay amin’ny fiatrehana ity fifidianana ity. Te hanambara mafy ity solombavambahoaka ity fa manana ny herijika amin’ny mety hahazoan’ny kandidà vato betsaka ny antoko Hiaraka Isika raha ho an’ny Faritanin’i Toliara manokana satria nahatafiditra Ben’ny tanàna 3 amin’ny Distrika 21 misy any amin’ity Faritany ity ary manana mpanolotsain’ny tanàna miisa 120. Fanirianay, hoy ny depiote Malement, ny haha solombavambahoaka tahaka anay ireo kandidà mirotsaka amin’ity fifidianana Senatera ity ka izahay dia hanolotra ambongadiny ny vaton’ny Hiaraka Isika ho an’izay kandidà mitovy fijery ka mifampiresaka aminay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.