Samy manana ny fijeriny ny raharaham-pirenena tokoa ny rehetra. Ho an`ny Antoko Harena izao, araka ny nambaran`i Lezava Fleury, filoha nasionaliny dia mazava ny resaka fa tsy maintsy amin`ny alalan`ny fifanakalozan-kevitra sy fifanatonan`ireo hery lehibe no hamahana ny olana eto amintsika.
Fangatahana fanavaozana no antony ilaharan’ny mponina an-dalambe amin’izao fotoana, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa vao voahosotra ho filohan`ny Repoblika Atoa Rajaonarimampianina Hery dia fanjakana tetezamita no tao an-tsain`ny maro tamin`ny volana janoary 2014. Fanjakana tetezamita handamina ny Malagasy no nianteherana azy ary teboka efatra lehibe no nandrasana taminy. Voalohany dia ny famerenana ny fahalalahana mba hahazo hilaza ny heviny ny olona ary hosokafana ireo haino aman-jery nakatona. Hanamafy ihany koa ny fihavanana ary hahazo famotsoran-keloka ireo gadra politika. Manaraka izany, ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana izay mampiady ny Malagasy hatramin`izay. Farany, hampiato ny fivarotana na fampanofana tany amin’ny vahiny. Ireo no nandrasana taminy mialoha ny asa rehetra toy ny fampandrosoana satria ireo no mitondra any amin’ny fandrosoana kanefa ho tapitra ihany ity ny fe-potoana maha filoha azy. Mifanohitra amin`izay ny zava-miseho ankehitriny ary hitam-poko sy hitam-pirenena io, araka ny fanazavany. Noho izany, nitombo ny fanapenam-bava ny mpanao politika, tsy vita na tsy natomboka akory ny fampihavanam-pirenena, ny lalàm-pfidianana no miteraka fanonganana azy io. Nitombo ny fanomezana tany ny vahiny eto Madagasikara. Tsy vitany ny asa fototra nandrasan’ny Malagasy tamin’ny filoham-pirenena am-perinasa. Nanampy trotraka ny fitombon’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana. Tsy misy birao tsy andoavam-bola eto amintsika amin’izay ilaina rehetra. Nanamafy hatrany i Lezava Fleury fa tokony hiray feo ka hifanatona hitady lalam-piavotana haingana ny mpanao politika rehetra, ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena ary ny tafika. Manao antso avo amin`ny Eveka Katolika ny antoko Harena mba hifandrimbona amin’ny FFKM amin’ny fitarihana fifampidinihina. Marihana fa hanatanteraka kaongresy any Antsirabe ny antoko amin`ny volana ambony mba hikarohana haingana ny lalana hamahana tanteraka ny krizy eto amin`ny firenena
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.