Tsy tokony hatao fitaovana politika intsony ny tanora, indrindra fa ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, hoy ny filohan’ny antoko FTPFM avy any Fianarantsoa.
Nambarany fa nanohana ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ny tenany, nefa dia nosamborina sy nogadrain’ny fitondrana notohanany izy. Mila mifanome tanana amin’ny fitondrana ihany koa ireo tanora avarapianarana, hoy hatrany ny fanambarany fa manana fijery manokana sy mahitsy mba hananan’izy ireo fanantenana hanampiana ny mpitondra. Nomarihiny fa na iza na iza mpitondra nifandimby teto, dia anisan’ny nanohana izany ny antoko FTPFM. Tsy hanohitra ny fitondrana ny antoko, fa hifanome tanana raha ilaina. Nangina sy nandinika ny toe-draharaha nisy ny antoko, ka nahatonga azy ireo nanao izao fanehoan-kevitra izao.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.