Mandray anjara feno amin'ny fiarovana
ny tontolo iainana ny antoko FIVOI tarihin'ny filoha mpanorina azy ny depiote Rajerison Antoine. Tonga namboly hazo teny amin'ny kianjan'ny miaramila teny Antsahamaina, kaominina Antanetibe Mahazaza ny tenany sy ny solontenan'ireo kaominîna 24 isa mandrafitra ny distrikan'Ambohidratrimo ny farany herinandro teo. Zana-kazo an'aliny no novolena tamin'izany hamerenana an'i Madagasikara ho maitso volo indray sy hiarovana ny nofon-tany tsy ho kahon'ny riaka. Nitohy tamin'ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2026 ny hetsika ka nisy ny fanolorana solombodiakoho nataon'ny mpikambana avy ao amin'ny distrikan' Ambohidratrimo ho an'ny depiote Rajerison Antoine. Nifaranana tamin'ny fampisehoana goavambe niarahana tamin'i Raouto ny lanonana. Amin'ny maha-antoko ny FIVOI moa dia mandray anjara feno amin'ny fikarakarana sy fandraisana andrakitra amin'ny fiainam-pirenena izy ireo. Nisy ihany koa tamin'ny faran'ny herinandro teo ny voin-kava-mahatratra izay nokarakarain'izy ireo tao Antanetibe Mahazaza entina hanampiana ireo havantsika traboina any Toamasîna vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Gezani farany teo.
Pati
Légende : Nitarika ny fambolenkazo ny Depiite Rajerison Antoine voafidy tany amin'ny Distrikan'Arivonimamo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.