Politique

Antoko Fiombonana « Lavitry ny fahefan’ny FES ny fifanarahana hanao sata politika »


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Ny vahiny no mametraka ny fitsipi-dalao amin’ny sarintsarina fampandrosoana tiany atao eto amin’ity firenentsika ity, hoy ny antoko politika Fiombonana,

nandika ny fahitany ny fisiana fifanarahana hanao sata politika tetsy amin’ny FES Ankadifotsy teo amina antoko politika am-polony monja omaly. Raha ny fivoriana mikasika «charte de bonne conduite» izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, dia fanomezana lesona ny mpitarika politika eto Madagasikara. Tokony samy manana izany «charte de bonne conduite» izany ny antoko politika rehetra, hoy izy. Azon’ny antoko politika rehetra atao no mifamory raha tena ho tombontsoan’i Madagasikara dia mametraka an’izay. Tsy ilana rafitra vahiny izany. Misy zavatra azon’ny FES, izay rafitra alemanina, atao eto Madagasikara toy ny fanampiana ireo tanora te hisehatra amin’izany haitarika izany, indrindra, eo amin’ny sehatry ny politika sy sosialy ary toekarena. Lavitry ny fahefany kosa izany fametrahana sata ho amin’ny fitondran-tena politika mendrika izany. Anjaran’ny fitondram-panjakana no mitarika izany miaraka amin’ireo antoko politika misy eto Madagasikara. Fa maninona no antoko politika miisa 10 fotsiny no nantsoina nefa be dia be ny antoko politika eto? Izay fotsiny dia efa mametra-panontaniana. Sao dia mba tsy ilay resaka «charte de bonne conduite» fa fizarana seza ataon’ny vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny ambasadaorony? Izahay manokana aloha tsy nasaina tao ary raha resaka an’izany sata izany koa dia mety tsy ho tonga tany izahay. Mbola mihazohazo hatreto ny hoe ahoana no hizorana mankany amin’ilay tetezamita? Antony 2 no mety mahatonga izany tsinona. Na fakana fahefana amin’ny alalan’ny tafika na fidinana an-dalambe ataon’ny vahoaka. Tsy misy eto nefa ireo fa krizy sosialy sy toekarena no misy eto. Mialangalana noho izany ny mpanao politika ka azo heritreretina ny hoe nisy izany resaka izany tao amin’ilay fihaonana tamin’ny FES. Ny fanambarana aorian’io fivoriana io dia amin’ny anaran-drizareo izay nivory tao. Tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny antoko politika rehetra ireo, hoy hatrany ny Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT