Politique

Antoko Fanorolahy Ny famokaram-bary ihany no vahaolana amin’ny fahasahiranana


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Misedra olana tanteraka ireo mponina eto amintsika noho ny fidangan’ny vidim-bary. Efa mahatratra 1.100 Ar ny iray kapoaka amin’ny vary gasy amin’izao eny an-tsena raha 800 Ar ny mora indrindra.

Tsy vitsy ireo zara fa misakafo noho izany. Indray mandeha isan’andro sisa raha betsaka no mihinana dia ny atoandro sy ny hariva ihany fa ny maraina dia efa kaontin’ny tsy misy. Manana vahaolana mifandraika amin’izany ny antoko politika Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Ny fitrandrahana ireo tany azo volena ihany hoy izy no hahafahana miady amin’izany. Tokony hovatsiana zezika sy fitaovana araka izany ny tantsaha mba ho afaka hamokatra hoy izy no sady hanana asa hatao mandavan-taona ihany koa fa tsy hirongatra hiakatra eto an-drenivohitra hivarotra eny amoron-dalana sanatria….Afaka mamatsy vary any ivelany tsara isika hoy izy raha tanteraka soa amantsara izany saingy ny olana dia ny fijerena ny tany mba tsy hangoronin’ireo mpanam-bola sy ny karazany. Ho an’ny antoko tarihiny manokana dia efa miroso amin’izany izy ireo ankehitriny ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : hamboly isika ka hamokatra. Misy ny fanentanana sy fampianarana hatao amin’ireo tantsaha noho izany hahafahana manatanteraka izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT