ANTOKO FANOROLAHY

Ny fambolena ihany no enti-miady amin'ny fahantrana


  • Alatsinainy 08 Desambra 2025

Ny fambolena ihany ho an'ny antoko

Fanorolahy, tarihin'ny Filoha nasionaliny Randrianary José no ho enti-miady amin'ny fahàntrana. Nanatanteraka fanantenana momba ny fambolena "vary fihavanana" sy ny fambolena "olatra" teny amin'ny faritr'Anosiala Ambohidratrimo izy ireo ny faran'ny herinandro teo niaraka tamin'ny Vovonana Fanorolahy. Fantatra tamin'izany fa mitovy amin'ny fambolena vary gasy ihany na an-tanety na an-tanimbary ny fambolena vary fihavanana. Ny vary gasy 1 ha ohatra dia nohazavain'ny Filohan'ny Vovonana fa mamokatra 1 taonina eo ho eo. Ny vary fihavanana 1 ha kosa dia hahazoana 10 taonina izany hoe : folo avo heny. Ny 85%-n'ny vary fihavanana novolena dia maniry avokoa ary azo soloina ny ambiny. Ho an'ny tany tsy misy rano dia afafy ny masomboly ary totofana zezika avy eo. Ho an'ny tany misy rano kosa indray dia tsy totofana ny zezika. Ho an'ny tany mirefy 1000 m2 dia zezika NPK 30 kg miampy 10 kapoaka no ilaina. Mila mamono bibikely matetika ary manetsa aloha vao manisy zezika. Tanjona amin'ity tetikasa ity ny mba hahafahana miady amin'ny fahàntrana ka ireo kamo ihany sisa no mety tsy hihinana. Mbola.hitohy ny fidinana ifotony hataon'ny antoko miaraka amin' ny teknisiana ho fanentanana ireo tantsaha.
Pati
Légende : Nidina ifotony tahaka izao mihitsy ny antoko Fanorolahy ny faran'ny herinandro teo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT