ANTOKO FANOROLAHY

Nijery ireo marefo tao Fenerive Est


  • Zoma 15 Martsa 2024

Betsaka ireo fianakaviana sahirana amin’izao .

 Tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro sisa vokatry ny fahasahiranana sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Tsy lazaina intsony ireo voatery matory eny amoron-dalana noho ny tsy fahaloavana hofantrano. Tsy manadino azy ireny ny antoko Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Nidina ifotony tany Fenerive Est izy ireo nijery ireo fianakaviana tena sahirana. Tamin’ny alalan’ny fitondrana ilay tetikasa mafonja no nanatontosany izany ka ankoatra ny fizarana sakafo masaka maimaim-poana dia natoro sy nomena fiofanana momba ny fambolena ihany koa ny mponina hahafahana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Na izany aza anefa dia napetraky ny antoko Fanorolahy mazava fa fotoam-pifidianana izao. Tsy resa-politika araka izany no hatao hoy ny filoha nasionaliny Randrianary Jose fa fanavotana ny mpiray tanindrazana izay efa tena reraky ny adim-piainana sy ny hanoanana. Olona an-jatony moa no nofahanana sakafo nandritra izany, hetsika nanomboka afak’omaly Alarobia. Nankasitraka feno ny kaominina Fenerive Est ity antoko ity tamin’ny fandraisana azy ireo ka nahafahany nanatontosa izao tetikasa Mafonja izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny antoko Fanorolahy tamin’ireo vahoaka ao Fenerive Est !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT