ANTOKO FANOROLAHY

Nanampy ireo marefo sy namboly hazo tao Morondava


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Mitohy hatrany ny asa sosialy tanterahin’ny antoko Fanorolahy.

Taorian’ny fizarana masomboly sy fanomezana fiofanana ireo tantsaha mpamokatra tany Fenoarivo Atsinanana dia mitodika any Morondava indray ity antoko ity ankehitriny, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa nentin’izy ireo nandinihina ny fanampiana ireo marefo ao anatin’ity distrika iray ity hahafahana miady amin’ny fahantrana. Niarahany tamindry masera izay havanana amin’ny fanaovana asa soa any an-toerana izany, izay tsiahivina fa tsy manadino velively ireo kamboty sy ireo olona manana fahasembanana ary ny Reny mananontena. Tapaka nandritra ny fihaonan’ny roa tonta fa hojerena ny fiaraha-miasa azo hifanoloran-tanana hanohanana ny mpiara-belona. Nitohy tamin’ny fizarana fitaovana ho an’ireo mpanjono tany an-toerana izany hahafahan’ireto farany manao araka ny tokony ho izy ny asa fihariana tanterahiny. Ny 80%-n’ireo Raim-pianakaviana ao Morondava mantsy dia saika mivelona amin’ny asa fanjonoana avokoa. Betsaka anefa ireo fitaovana mbola tsy ampy sy ny kojakoja mifandraika amin’izany, antony nanoloran’ny antoko Fanorolahy fanampiana ho azy ireo. Nofaranana tamin’ny fambolen-kazo niarahana tamin’ny filohan’ny Antenimieran-doholona ny jeneraly Ravalomanana Richard izany tamin’io afak’omaly Sabotsy io ihany mba hiarovana sy hikajiana ny tontolo iainana indrindra fa ny ady hatao amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Voaasa manokana tamin’izany ny consul an’i Portugal niara-namboly hazo taminy. Zana-kazo an-jatony no novolena tamin’izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana fitaovana ho an’ireo mpanjono tao Morondava !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT