ANTOKO FANOROLAHY

Mamporisika ny tsantsaha mba hamboly hatrany


  • Alarobia 14 Febroary 2024

Tsy reraka ny mitety faritra maro hanentanana ireo tantsaha

mpamokatra eny ifotony mba hamboly hatrany ny antoko Fanorolahy tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia tena efa miraviravy tanana tanteraka ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika ankehitriny vokatry ny fisian’ny tsy fandriampahalemana. Tapitra haripak’ireo dahalo avokoa ny vokatra miakatra sy ny biby fiompy izay efa nandaniana vola sy nimatimatesana an-taonany maro. Ny fakana an-keriny sy ny fanolanana ireo zaza amam-behivavy tsy lazaina intsony. Tsy kivy anefa ny antoko Fanorolahy fa miezaka ny manohana ara-tsaina sy manome fiofanana ireo tantsaha eny ifotony mba hamboly hatrany ao anatin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : hamboly ka hamokatra isika. Toraka izany koa ny fanomezana fitaovana sy masomboly. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana vary isan’andro raha eo ihany koa ny fikatsahana ny soa iombonana dia ny fahavitantena ara-tsakafon’ny Malagasy izany. Tsiahivina moa fa tsy hiandrasan’ity antoko iray ity fanohanana ara-bola na fanampiana avy any an-kafa izany. Amin’izy ireo mantsy dia tsy tokony hiandrasana ny mpitondra irery ny fampandrosoana ny firenena fa hifanomezan-tanana mba hahazoana vokatra mahomby ao anatin’ny fotoana fohy.
Pati
Legende : Ny filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy Randrianary Jose sy ireo mpiara-miasa aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT