ANTOKO FANOROLAHY

Mamporisika ny tantsaha hamboly sy hamokatra hatrany


  • Zoma 22 Desambra 2023

Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny antoko politika Fanorolahy tarihin’ny filoha nasionaliny

Randrianary Jose amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena, indrindra fa ny ady hatao amin’ny olana ara-tsosialy mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny. Any ambanivohitra any izy ireo no tena miasa mangina amin’izao ka ankoatra ny fanomezana fiofanana ireo tantsaha mpamokatra amin’ny fiompiana sy ny fambolena dia mamporisika iretsy farany mba hamboly sy hamokatra hatrany koa izy ireo. Ny famokarana ihany mantsy no hany lalan-tokantrano hahafahana miady amin’ny fidangan’ny vidin’entana eny an-tsena indrindra fa ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy ho azy ireo. Mamatsy masom-boly sy zezika ho an’ireo tantsaha ihany koa ny antoko. Tanjony amin’izany raha araka ny fanazavan-dRandrianary Jose ny mba hahatonga ireo tantsaha hanana ny velon-tenany ara-dalana raha ho afa-pahasahiranana ihany koa ny eto an-drenivohitra rehefa mitobaka ny vokatra. Anisan’ny olana mbola iraisan’ireo tantsaha moa hatreto na izany aza ny fisian’ny tsy fandriampahalemana sy ny haratsian-dalana koa hanaovan’ity antoko ity antso amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ho azy ireo mantsy dia ilana fifanomezan-tanana ny fampandrosoana ny firenena, fa tsy hiandrasana olon-tokana.
Pati
Legende : Ny filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy sy ireo vahoaka any ambanivolo mifanome tanana aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT