Politique

Antoko Fanorolahy Hanao kongresim-paritra


  • Alarobia 14 Jona 2023

Miainga avy eny ifotony toy ny fandaharan'asa rehetra ho enti-mampandroso ny firenena ny antoko fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny José Randrianary.

Hanatanteraka kongresim-paritra izy ireo manomboka amin’ny sabotsy 17 jona ho avy izao ka eny an-tanimboly no hanatontosany izany. Ao Antanety Atsinanana, kaominina ambanivohitra Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo no hisantarany izany ka fampianarana miompy tantely sy ny voly avotra no hatao mandritra ny tontolo andro.Arahina dinik'asa sy ady hevitra ny hetsika ka anisan’ny hovoaboasana mandritra izany ny hoe : inona no tena olana sedrain’ny tantsaha ary inona no vahaolana mifandraika amin’izany, mifanaraka amin’ny vanim-potoana misy ankehitriny ? Tsy hijanona hatreo ny hetsika fa hitohy any amin’ny faritra amin’ny alalan’ny fihaonana mivantana amin’ireo tantsaha ka any Fenoarivo Atsinanana no hamaranana izany aorian’ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona. Tanjona ny hahafahana mitsinjo sy mijery ny tombontsoam-bahoaka ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : hamboly sy hiompy isika ka hamokatra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT