Politique

Antoko AREMA Nanamafy fa hifaninana amin’ny fifidianana ho avy


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena ny antoko AREMA raha toa ka hisy izany raha araka ny fanazavan’ny sekretera nasionaliny Annick Ratsiraka omaly.

Hanomboka eny amin’ny Fokontany izany raha araka ny fanazavany, hiampita any amin’ny kaominina,ny solombavambahoaka eny hatrany amin’ny filoham-pirenena. Eken’ny antoko AREMA hoy hatrany izy ny fifampiresahana sy ny dinidinika hifanaovan’ny samy mpanao politika raha toa ka hitondra soa ho an’ny firenena mialohan’ny hanatanterahana izany. Raha hambolena korontana sy hifandrombahana seza kosa hoy hatrany izy no ao ambadik’izany dia tsy eken’ny AREMA. Notsiahiviny moa fa efa hafatry ny dadany dia ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ny handraisan’ity antoko ity anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy, nandritra ny fankalazana ny faha-23 taonan’ny antoko izany hoe : tamin’ny 24 taona lasa izay. Ankehitriny efa mankalaza ny tsingerin-taona faha-47 taona nijoroany indray ny antoko AREMA. Tetsy Antsahamanitra no nentina nanamarihana izany omaly ka nanambaran’ity sekretera jeneraliny ity hatrany fa misy zavatra tsy mety eto amin’ny tany sy firenena raha nitodika tamin’ilay tranga nafahatesana olona 34 tany Ambilobe ny tenany ka naharendrika ilay lakana saika hitondra olona an-tsokosoko ho any Mayottes. Adidin’ny firenena ny mamelona ny mponina ao aminy hoy izy ary adidin’ny fanjakana ny mikarakara ny zanany koa nahoana no mandeha mitsoaka an-tsokosoko any ivelany ny Malagasy ? Tsy vitan’olon-drery anefa hoy izy ny manamarina izany fa adidintsika rehetra koa miantso ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanana entina hanarenana ny firenena ny tenany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanapahana mofomamy nentina nanamarihana ny faha-47 taonan’ny AREMA omaly tetsy Antsahamanitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT