Politique

Antoko AREMA Miantso ireo filoha efatra mba hidinika


  • Alarobia 09 Desambra 2015

Miantso ireo filoha efatra mirahalahy nifandimby indray ny antoko AREMA mba hiverina hifampidinika hahafahana mifanakalo traikefa sy hevitra entina hampandrosoana ny firenena.

 Tena tsy misy mihery intsony mantsy izao, hoy i Andrianarisoa Ange kandida senatera eo Antananarivo hatolotr'ity antoko ity fa tafiditra anaty fahasahiranana tanteraka ny firenena. Lohalaharana amin'izany ny tsy fisian'ny fandriampahalemana, ny fahantrana mianjady amin'ny vahoaka, ny olana ara-politika, ny ekonomika ... Noho ireo antony ireo, hoy hatrany Andrianarisoa Ange, no nahatonga ny antoko AREMA handrotsaka olona enina lohalisitra isaky ny faritany enina hahafahana mifanampy. Ny tanjona dia ny hahafahana manatsara sy mampandroso ny fiainan'ny vahoaka malagasy, foto-kevitra efa nijoroan'ny antoko hatramin'izay. Eo ihany koa ny mba hahafahana manatanteraka ireo karazan-dalàna tokony hojerena akaiky nefa nodian-tsy hita hatramin'izay ho tombontsoa ambonin'ny firenena. Miantso ireo mpifidy lehibe ity antoko ity mba tsy hivarotra ny safidiny noho ny resaka vola fa hijery akaiky ny fiainam-bahoaka. Nampahafantatra ireo kandinda senaterany manerana ny faritany enina teny Faravohitra omaly ny antoko AREMA.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT