Politique

Antoko AREMA Hanofanana ny tanora hananany fihariana ho azy manokana


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Nanatanteraka fanentanana sy dinika niaraka tamin’ireo mponina sy ny tanora teny amin’ny Kaominina Tanjombato Antananarivo Atsimondrano ny antoko Arema izay notarihin’ny sekretera nasionaly Annick Ratsiraka, ny sabotsy teo.

Nandritra izany no nihainoana ny fitarainan’ireo tanora. Nisongadina ny tsy fananan’izy ireo asa hivelomana na dia isan’ireo Kaominina ahitana orinasa afa-kaba maro indrindra aza ao Tanjombato. Nambaran’ireo tanora fa manjaka ny risoriso amin’ny fampidirana mpiasa eny amin’izao fotoana izao, tsy ho tafiditra mihitsy raha tsy mandoa vola amin’ireo tomponandraikitra. Mampalahelo ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao na dia ezaka nataon’ny fitondrana Ratsiraka tamin’ny fotoan’androny aza ny fananganana orinasa , indrindra ny afa-kaba hanomezana asa ireo tanora. Vahaolana natolotry ny Arema ny hanomezana fiofanana ireo tanora ahafahany manangana fihariana ho azy manokana ka ny antoko no hanome ny mpampiofana. Havondrona araka izany ireo tanoran’i Tanjombato ireo ahafantarana izay fiofanana tiany ho rantovina. Miomana amin’ny fambolen-kazo hatao eny amin’ny Kaominina Tsiafahy ny antoko amin’ny 4 febroary. Mitohy amin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy izany ny 8 martsa, ary ny fankalazana ny faha- 47 taonan’ny Arema ny 19 martsa 2023, izay ho atao eny Antanikatsaka Itaosy.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT