Antoko AREMA

Handroso tolo-dalàna hanovana ny CENI sy HCC


  • Talata 12 Septambra 2023

Nitondra fanazavana ny antony nisintonany ny firotsahan-kofidiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Annick Ratsiraka,

Sekretera nasionalin'ny antoko AREMA, sady kandida natolotry ny antoko ihany koa. Nambarany fa hita mibaribary fa fehezin'olombitsy ny fahefana ary tsy mihatra ny lalàna. Misy kandida mizaka zom-pirenena hafa. Mitanila, tsy mangarahara ny zotram-pifidinana. Koa tsy misy antony androtsahana anto-bola 200 tapitrisa Ariary, hoy i Annick Ratsiraka, nefa fantatra ny ho valim-pifidianana eo. Ny tsy fandoavana io anto-bola takiana amin’ny mpilatsaka ho fidiana io moa no antony tsy nankatoavan'ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana na HCC ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany. Nanipika mazava ny Sekretera nasionalin'ny antoko AREMA fa tsy hanohana kandida izy ireo ary tsy hampifidy olona izay ananan'ny Malagasy ahiahy. Tsy mety koa ny filalaovana ny zon’ny Malagasy, satria notezaina handala ny fiandrianam-pirenena ny Arema, hoy i Annick Ratsiraka. Handroso tolo-dalàna hanovana ny CENI sy HCC moa ny antoko araka ny nambarany. Anatin'izany ny hampiasana kara-panondrom-pirenena biometrika sy "machine de vote électronique" mba ho azo itokisana sy tsy mitanila ny fifidianana. Efa nametraka tolo-dalàna mikasika izany teny amin’ny Antenimierampirenena moa ny Arema volana vitsy lasa izay. Hanohy hitety an'i Madagasikara izy ireo hanentana ny Malagasy handray an-tanana ny hoaviny. Efa tany Antsiranana ny antoko nanentana tamin’ny mpikambana, nitohy tao Mahajanga. Hiazo an'i Fianarantsoa sy Toliara indray izy ireo aorian’ny fanomezam-boninahitra farany ny Praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo, izay halevina any Ambositra ny alakamisy izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT