Politique

Antoko Arema - Fifidianana 2023 “Handrotsaka kandida fa tsy hanohana olon-kafa”


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Tetsy Faravohitra no nentin’ny Antoko Arema nahatsiaro sy nanamarika ny andron’ny vehivavy omaly 8 martsa. 300 teo ireo mpikatroka tonga teny an-toerana.

Nomena fiofanana momban’ny fandraisam-bahiny, ny lalàna sy ny zon’ny vehivavy ary ny fitezana ireo ankizy maditra izy ireo. Namapahatsiahivin’ny Sekretera nasionalin’ny antoko Rtoa Annick Ratsiraka fa efa hatramin’ny ela ny antoko no niady hoan’izany fampanjakana ny zon’ny vehivavy izany. Porofon’izany ny lalàna momba ny fandovan’ny vehivavy dia Ramatoa Celine Ratsiraka no nametraka azy teny amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny foatoan’androny, ho yny fampahatsiahivana. Voarakitra ao anatin’ny boky mena ihany koa fa ny vehivavy dia andrin’ny Revolisiona, ary tamin’ny fotoam-pitondran’ny Amiraly Ratsiraka dia maro ireo vehivavy no nanana toerana ambony teto amin’ny firenena. Ankehitriny, vehivavy no sekretera nationalin’ny Arema ary mandroso ny fameloma-maso ity antoko ity. Ara-politika, nanamafy nyArema fa tsy hanohana kandida izy ireo amin’ny fifidianana ho avy fa handrotsaka kandida amin’ireo seham-pifidianana rehetra. Nanabe sy nitaiza olona ny antoko tao anatin’ny 47 izay nijoroany ka mendrika raha ireo olona nobeazina tao no omena sehatra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hoy io Antoko io. Hanamarika ny faha-47 taona nijoroany moa ny Arema ny 19 martsa izao, izay hankalazaina etsy Antsahamanitra. Momba ny fifidianana kosa, isan’ny mametra-panontaniana ny Arema hoe ho tanteraka ve? Manambola hiatrehana izany ve ny Fanjakana sy ny maro hafa? Mbola eo am-pamaliana izany ny rehetra ankehitriny fa ho fiomanana dia ny fisoratana anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy no tokony ataon’ny vahaoaka aloha, hoy Rtoa Annick Ratsiraka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT