Tsy nanadino ny fanamarihana ny tolom-pahafahana tamin’ny 1947 ny avy amin’ny antoko Arema omaly 29 martsa.
Nisy ny fanateram-boninkazo teny amin’ny fasan’ny maherifo teny Andrainarivo na « Mausolée » no hahafantaran’ny ny maro azy. Nitarika ity delegasionina mafonja ity ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha Ange Andrianarisoa, izay ao anatin’ny “Collège national”.
DIPLOMASIA
Noraisin’ny filoha amerikanina Donald Trump, tao Maison Banche ny alarobia 28 martsa 2018, nandritra ny lanonana fandraisana taratasy fanendrena ireo ambasadaoro hiasa any Etazonia ny ambasadaoron’ny Repoblikan’i Madagasikara Eric Andriamihajamananirina Robson. Teo koa Atoa Mamadou Haidara, ambasadaoron’ny Repoblikan’i Côte d'Ivoire, Shinsuke Sugiyama, ambasadaoron’i Japon ary Otgonbayar Yondon, ambasadaoron’i Mongolia.
FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA 2018
Hifaninana hofidiana filoham-pirenena i Dr Jules Etienne. Raha tsy misy fiovana dia amin’ny alakamisy 5 aprily 2018 no hanaovany fanambarana ny firotsahan-kofidiany. Minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina tamin’ny governemanta Kolo Roger i Dr Jules Etienne. Kandida tamin’ny fifidianana 2013 izy roalahy ireto no nisintona ny firotsahan-kofidian’izy ireo, ka nahafahan’i Hery Rajaonarimampianina nirotsaka sady notohanan’izy ireo, ary lasa filoha ankehitriny.
FIFIDIANANA
Hisy iraky ny SADC ho avy eto Madagasikarana ny 3 ka hatramin’ny 6 aprily 2018. Hanao tombana ny tontolo politika ao anatin’izao zotram-pifidianana izao no voalaza fa anisan’ny anton-dian’izy ireo eto Madagasikara. Marihina fa ry zareo Afrikanina Tatsimo izao no filoha mitarika ity vondrom-paritra aty Afrika Atsinanana ity. Manana ny foibeny any Botswana ny SADC ary miisa 15 ireo firenena mpikambana. Nanomboka tamin’ny taona 2005 i Madagasikara no Mpikambana ao.
IMERINTSIATOSIKA
Olona telo no indray maty nipoahan’ny kodiarana izay namboarina teo amin’ny toerana fanaovana izany, teo Imerintsiatosika, ny alarobia teo. Maty tsy tsa-drano izy ireo vokatr’izany. Ity tranga ity dia manaporofo fa mila fahaizana ny fanamboarana kodiarana fa tsy vitan’ny asa-tànana kitoatoa toa izay misy eraky ny sisin-dàlana ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.