Matoa misy vondrona iray mitsangana dia manana anto-pisiana na « ideologie », hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika ABA,
Dany Rakotoson, raha naneho hevitra mikasika ny fahitany ny fanapahan-kevitr’ireo mpanohitra ny fitondrana hivondrona. Tokony hapetraka mazava tsara, hoy izy, izay tanjona ao anaty fiarahana izay. Izahay antokom-bahoaka izao dia hery mpanitsy na « force d’interpellation » satria miteny rehefa mahita tsy mety ary manohana ireo hitanay fa mety kosa. Mila mandroso haingana ny firenena satria efa betsaka no matin’ny fahantrana amin’ny karazany rehetra, hoy ny fanazavany, ka raha atao fitadiavan-tseza fotsiny ny fanoherana dia heveriko fa tsy mety. Tsy ny zava-bita no tokony hanomezana hevitra fa ny zavatra mipoitra. Mila mametraka hoe tsy mety ity fa raha izahay no teo dia izao no hanaovanay azy. Resaka PSE izao, ohatra, dia hitanay hoe efa praograma ka tsy tokony hanaovana sorona ny zana-bahoaka. Ny famerana zaza teraka koa, ohatra, aminay dia tsy fahaizana politika satria kolontsaina Malagasy ny hoe harena ny zanaka. Firenena lehibe noho i frantsa i Madagasikara ary miisa 25 tapitrisa ny mponina ao. Rehefa tsy vitanao ny mampanankarena ireo dia mialà fa tsy ny zaza avoakany no ferana satria ho fanoitra amin’ny fampandrosoana toekarena ireo atsy ho atsy. Rehefa mpitondra tsy mahay politika dia miala fa ny baiboly aza nilaza hoe mamenoa ny tany, hoy ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.