Anto-bola 200 tapitrisa Ar

Tsy nahasakana ireo kandida


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Raha ny angom-baovao voaray hatramin’ny omaly dia tsy handray latsaky ny 4 miliara Ariary na 20 miliara

iraimbilanja izany ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC amin’ity fametrahana antotan-taratasim-pilatsahan-kofidian’ireo kandida ho filoham-pirenena izay hifarana anio etsy Ambohidahy ity. Raha noheverina ho narisarisa ireo mpandray anjara tamin’ny nisokafan’izany fanaterana taratasy izany nanomboka ny 22 aogositra dia ny 24 aogositra tamin’ny 12 ora sy 4 minitra vao nisantatra izany ny filoham-pirenena teo aloha na dia nitaraina ho nanana olana tamin’ny resaka taratasin-ketra na ilay hoe 211Bis aza talohan’io. Hatramin’ny omaly dia kandida miisa 17 aloha izany no naha voaatitra ny atotan-taratasiny feno avy. Izany hoe efa niaraka tamin’ilay volabe 200 tapitrisa Ariary na 1 miliara iraimbilanja. Fantatra kosa fa, fara faha keliny, miisa 3 ireo kandida mbola hanatitra izany amin’ity andro farany anio ity, raha tsy misy ny fiovana. Eo ny kandidan’ny antoko politika Fihavanantsika, Lalaina Ratsirahonana. Eo koa ny avy amin’ny antoko politika Kristianina manao politika, Eliace Ralaiarimanana, ary ny kandida avy amin’ny antoko politika Tanora malagasy vonona na TGV izay tena mahaliana ny mpanara-baovao hoe ny filoham-pirenena ankehitriny izay efa manana olana miteraka resabe noho ny resaka fandavana zom-pirenena malagasy na “naturalisation” ity ihany ve sa olon-kafa? Feno 4 miliara Ariary na 20 miliara fmg aloha izany na izany na tsy izany fara-faha keliny ny volabe ho tonga ao amin’ny HCC nanomboka ny 24 aogositra teo hatramin’ity anio ity, raha ny mikasika ny anto-bolan’ireo kandida ho filoham-pirenena fotsiny. Volabe mankaiza sy ho atao inona avokoa? Miandry ny mangarahara ny rehetra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT