Nisokatra omaly talata 1 mey ny fivoriana ara-potoana voalohany teny amin`ny lapa maitson`Anosikely. Nanaitra ny maro ny fifamaliana nisy teo amin`ny filohan`ny Antenimierandoholona sy ny loholona Paul Bert teo amin`ny fanokafana ny fivoriana.
Tamin`ny lahateny nataon`i Rivo Rakotovao dia namely fantsy an`ireo depiote mpanohitra mitarika ny hetsi-bahoaka eny Analakely izy. Nahatsiaro voadaona mafy tamin`ilay kabary politika i Paul Bert, loholona MAPAR, ka tsy naharitra ary nandray fitenenana avy hatrany. Raikitra avy hatrany ny fifamaliana teo amin`ny roa tonta. Naharitra minitra vitsy ny fifamaliana. “Tsy maintsy voatery manaja ahy ianao”, hoy ny filohan`ny Antenimierandoholona ary dia nifarana ny fifamaliana. “Ho an`ireo depiote 73 dia aoka mba hajanona eny amin`ny Antenimieram-pirenena ihany ny adihevitra fa aza entina hanatanterahana korontana. Aoka hohajaina ny hevitry ny maro an`isa. Tsy misy mahazo tombony amin`ny fanakorontanana ny firenena. Ny fifidianana ihany no sehatra hanehoan`ny vahoaka ny heviny. Tsy maintsy mandanjalanja ny fanapahan-kevitra manoloana ireo tsy mitovy hevitra aminy ny mpitondra”, hoy ny fanazavany. Nantitranteriny fa ny tombontsoam-pirenena no ambony indrindra ka tokony hananan’ny tsirairay toe-tsaina tony eo am-pandinihana izany mba tsy hiverenan’ny krizy intsony izay mandatsaka lalina ny firenena. Andrasana amin`ity fivoriana ara-potoana ity ny tena hevitr’ireo loholona na hanara-drenirano ny fitondrana ankehitriny fotsiny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.