Antenimierandoholona

Niporitsaka ny dosie, fiara 16 tsy voaloa vola !


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Niporitsaka teny amin’ny tambajotran-tserasera nanomboka omaly ny taratasy avy amin’ny orinasa mpivarotra fiara vaovao dia ny Auto Diffusion tamin’ny alalan’ny Tale misahana ny

lalàna sy ny mpiasa miantefa amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard sy ny Kestora Fernand Eddie Serge. Taratasy mitondra ny datin’ny 21 novambra 2024 mampatsiahy fa tapitra tamin’io daty nandefasana ny taratasy io ny fe-potoana tokony handoavan’ny Antenimierandoholona vola 1 482 800 000 Ar amin’io orinasana mpandraharana matanjaka akaikin’ny fitondrana io, araka ny fifanarahana nividianan’ny loholona fiara tamin’izy ireo ny novambra 2024. Voalaza fa naharay tsara ny taratasy nalefan’ny tao Anosikely mitondra ny datin’ny 18 jolay 2023 sy ny 04 oktobra 2024 izay nangataka fandoavana tsikelikely ity orinasa ity, saingy nolavina ankitsirano izany, mba ho fanajana ny fifanarahana. Nampahafantatra ny Antenimierandoholona ny hisintonana ireo fiara 16 am-pilaminana (amiable) ao anatin’ny fotoana fohy noho izany io orinasa io. 92 675 000 Ar izany ny iray tamin’ireo fiara raha ny kajikajy miainga amin’io raha tsy mbola misy ampaham-bola hafa naloa nialoa. Na tiana na tsy tiana dia manala baraka ilay andrim-panjakana faharoa eto amin’ny tany sy ny Fanjakana io, fa maneso ihany koa ny vahoaka Malagasy izay ao anatin’ny fahoriana sy ny fahasarihanana tanteraka. Endrika maneho sy manamafy manao izay danin’ny kibony ho an’ny tombotsoany ireo olom-boafidy sy olom-boatendry na ilay andrim-panjakana. Manao izay maha diavolana azy amin’ny figalabonana amin’ny volam-bahoaka ilay andrim-panjakana. Raharaha ara-barotra fotsiny sa misy ifandraisany amin’ny politika ?

MANGARAHARA SY TENA LAHARAM-PAHAMEHANA VE ?
Tao anatin’ny mangahara ve no nanaovana ny fividianana na ny fifanarahana fividianana ? Nandalo tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ve ? Miharihary hatrany aloha izany fa ny vahoaka no ampihafiana sy ampijaliana amin’ny karazana krizy samihafa : olan’ny rano, herinaratra, fidangan’ny vidim-piainana, fitrongisana ara-ketra samihafa hanampiana ny kitapombolam-panjakana,… kanefa ratsy tantana ny volam-bahoaka, higalabonan’olom-bitsy ? Asa inona no ho fanazavana ofisialy na fandisoana atao an’itony ? Asa azon’ireo rafitra samihafa mpitsirika ny volam-panjakana toy ny IGE (Inspection Générale de l’Etat), ny Fitsarana momba ny kaonty, eny fa na ny depiote amin’ny alalan’ny fanadihadiana parlemantera,… ve itony ? Sa hoboriboriana amin’ny filàna tsy maintsy hatao ho an’ilay andrim-panjakana ? Toa zary efa lasa fanao rahateo ity mitaky tombotsoa mihoampampana ity satria vao tsy ela no nalaza ny resaka « 4x4 » tao amin’ny Antenimierampirenena izay voalaza fa hoesorina amin’ny tambin-karama ho an’ny fivezivezena. Samy manao izay mahabotrabotra azy izany fa ny vahoaka mifafa ny kihony hatrany !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT