Politique

Antenimierandoholona Nahemotra ny fihaonana amin’ny governemanta


  • Talata 13 Desambra 2022

Nahemotra amin’ny daty tsy mbola voafaritra ny fihaonana eo amin’ny loholona sy ny governemanta tokony ho natao ny andron’ny omaly alatsinainy 12 desambra 2022.

Nofoanana tamin’ny ora farany noho vanim-potoana toa anatin’ny toe-draharaha politika tsy milamina loatra, indrindra ny zava-niseho teo anivon’ny Antenimierampirenena ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ny filohan’io Andrim-panjakana io Atoa Herimanana Razafimahefa fa nanapa-kevitra hanemotra ny fihaonana izy ireo mba hametrahana fitoniana sy filaminana. Amin’ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana no heverina hanatanterahana izany, kanefa ny 16 desambra 2022 izao no hifarana ity fivoriana ara-potoana ity. Hofaritana mandritra ny fivorian’ny birao maharitra anio moa no hamaritana ny daty vaovao hanaovana io fihaonana io. Tsara ny manamarika fa foana tanteraka ny fihaonana eo amin’ny depiote sy ny governemanta, taorian’ilay raharaha fitsipaham-pitokisana nosoniavin’ny depiote miisa 105. Nofaritana fa ny 8-9 desambra saingy tsy raikitra, saika hatao ny 14-15 desambra saingy toa mbola tsy faly amin’I Mahazoarivo I Tsimbazaza. Io ihany koa fa nihemotra ny tetsy Anosikely. Ny 9 desambra teo, efa nisy ny fanambarana nataon’ny Antenimierandoholona fa fitoniana sy Filaminana no tadiavin’ny vahoaka Malagasy ka tsy ekena ny filalaovana ny fiainam-pirenena noho ny tombotsoa manokana. Nambara fa efa nahazo fitokisan’ny mpiara-miombon’antoka na eto an-toerana na avy any ivelany ny Fitondram-panjakana, ka samy tokony haneho ny fitiavan-tanindrazana hanampy ny Filohampirenena amin’ny asa fampandrosoana tanterahiny. Nolazaina fa ny Loholon’i Madagasikara dia mitsipaka marindrano ny fanakorontanana ny Firenena ary miantso ny vahoaka malagasy hiray hina hatrany amin’ny asa fampandrosoana. Ary mankahery sy miombom-po tanteraka amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina amin’ny asa fampandrosoana azo tsapain-tanana ataony. Lojika ny fanambaran’ny loholona satria volomboasary 90%! Iza anefa no manakorontana? Tena milamina ve izany ny fitantanana ny firenena sy ny famahana ny olam-bahoaka? Tsy misy azo raisina ny fiampangan’ny depiote tao anatin’ny fitsipaham-pitokisana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT