Mangataka ny hampidirana Loholona iray amin’ny anaran’izy ireo ny Plateforme des Fédérations des Personnes Handicapées de Madagascar ahitana federasiona miisa fito misandrahaka amina fikambanana miisa 300
. Amin’ireo 21 tendren’ny filoham-pirenena no hangatahin’izy ireo io toerana tokana io mba ho fanohizana ny naneken’ny firenentsika tamin’ny fankatoavana ny fanitsiana ilay lalàna mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Rariny izany, hoy Rabenindrainy Sendra, mpikambana ao amin’ny vovonana raha tanterahina satria ny 15% -n’ny mponina eto Madagasikara no manana fahasembanana. Tanjona ny hitondran’io Loholona solontenan’izy ireo io ny hetahetan’ireo olona manana fahasembanana rehetra raha tanteraka izany. Nomarihin’izy ireo fa tsy mbola nisy solontenan’ny sembana mihitsy tao anatin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka raha efa mahatratra dimy izany any amin’ny firenena mandroso. Marihina fa hankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana ity vovonana ity ny 03 desambra 2015. Hetsika maro samihafa no entiny hanamarihana izany ka anisan’ireny ny fifaninanana ara-panatanjahantena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.