Politique

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona


  • Talata 23 Jolay 2019

Omaly alatsinainy 22 hatramin’ny sabotsy 27 jolay ho avy izao no hankalazana amin’ny fomba ofisialy ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona.

 

 

Vavaka irasam-pinoana tao amin’ny Ekar Saint Joseph Mahamasina no nisantarana izany omaly maraina. Mandritra ity heerinandro ity ny fankalazana ka tafiditra anatin’izany ny fametrahana samboady ireo loholona vaovao handray ny toerany ao Anosikely, nisolo toerana ireo senatera voafidy solombavambahoaka. Ankoatra izay, hisy ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra izay ahitana lohahevitra samy hafa anio talata sy ny alarobia ary ny alakamisy. Hizara roa kosa ny hetsika ny zoma 26 jolay. Handray anjara amin’ny fanomezan-dra ao amin’ny HJRA ny Loholona sy ny mpiasa amin’ny 7 ora maraina, avy eo hitohy amin’ny hetsika ara-panatanjahantena toy ny hazakazaka madinika iarahan’ny rehetra, aorian’io ny Zumba sy lalao ara-pirahalahiana eo amin’ny taranja Basket-ball sy Foot-ball ary Volley-ball. Ny tolakandro kosa dia hisy seho goavana iarahana amin’ny Vakomanitry ny Antenimierandoholona sy ny Antoko Mpihiran’ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola ary ny tarika Rimbosa eny amin’ny Plaza Ampefiloha. Raha ny fandaharam-potoana ny sabotsy 27 jolay kosa, hanolotra fanampiana eny amin’ny hopitaly HJRA izy ireo ary hisy ny fampirantiana azon’ny rehetra tsidihana eo Anosy hatrany. Ho feno araka izany ny fandaharam-potoana mandritra io herinandro fankalazana ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona io ary hanasana ny rehetra fa tsy hisy matetika ny hetsika tahaka izao.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT