Politique

Antenimieran-doholona Sao dia mandany volam-panjakana fotsiny ?


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Ny didim-panjakana 2016-196 no mametra ny vola omena ireo parlemantera tsirairay rehefa misy ny fivoriana tsy ara-potoana. Raha ny Antenimieran-doholona manokana dia mahatratra 37 tapitrisa Ariary ny saram-pivoriana ary 52 tapitrisa Ariary ny vola omena amin’ny fampiantranoana isaky ny fivoriana tsy ara-potoana. 165 tapitrisa Ariary no lany tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany, 89 tapitrisa Ariary ny faharoa,

89 tapitrisa Ariary ny fahatelo ary 89 tapitrisa Ariary koa ny fahaefatra. Ankoatr’izay dia mandray 50 000 Ariary isan’andro, 65 000 Ariary isan’andro ny loholona iray ho saran’ny fivezivezena sy fampiantranoana. Mety mbola hitombo ihany koa ny vola raisina raha avy any amin’ny toerana lavitra no misy azy.  Mbola ankoatr’izany rehetra izany ny karama raisina isam-bolana ary ireo vola be ireo dia voaray ara-potoana tsara avokoa. Mahagaga fa mbola mitaky fampiakarana ihany ny sasany amin’izy ireo. Tokony hakarina manaraka ny fisondrotry ny vidim-piainana hono, tokony mba jerena hono ny solika rehefa mivezivezy eto ry zareo. Izany ve tsy fandatsana ny Malagasy izay valalanina fotsiny mijery ireto volabe mivoaka? Raha mba nanaovana tetikasa nampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izay maro an’isa izao io vola io dia mba maro ny tantsaha mba nihatsara ny fari-piainany. Ny loholona eto Madagasikara dia toa manaiky mora sy be fahatany izay aroson’ny fitondrana. Raha ny zava misy amin’izao fotoana izao mantsy no mitohy dia tsy misy ilàna Antenimierandoholona intsony.

Miova rafitra

Inona marina ny olana raha foanana any izany Antenimierandoholona izany satria tena fandaniam-bolam-panjakana fotsiny? Poizina ho an’ Madagasikara mantsy ireto Antenimiera roa ireto kanefa azo atao tsara ny manao “mono-forme parlementaire” satria “régime bicameral” izany hoe ahitana parlemanta roa.  Azo atao tsara ny manao “mono-caméral” izany hoe ny antenimieram-pirenena fotsiny no miasa ary io mandinika sy mandany ny lalàna . Tsy misy ny “contre-lecture” rehefa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena satria mbola misy ireo rafi-pitarainana sy rafi-pitsarana maro toy ny filan-kevi-panjakana, ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana… Mbola misy ireo ``institutions juridiques`` ahafahana mandeha mandrafitra lalàna sy manao fanaraha-maso ny lalàna fa tsy voatery mampiasa Antenimiera roa izay heverina fa mandany vola sy fotoana. Mazava ho azy fa tsy ho lasa lavitra mihitsy ity firenena mahantra ity raha mbola izao foana ny fomba fanao. Tsy misy fanajana ny fisarahan’ny fahefana eto Madagasikara. Natao hanaramaso ny fahefana mpanatanteraka mantsy ny fahefana mpanao lalàna ary manana andraikitra manakihana mihitsy  ny tsy mety ataon’ny governemanta, fa tsy hoe karamaina hananga-tanana hanaiky be fahatany izay tolo-dalàna rehetra tonga eo am-pelatanany fotsiny.


Tsiry sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT