Antenimierampirenena

« Tsy nisy mpiambina ny PAN voatifitra izany »


  • Zoma 24 Novambra 2023

Manoloana ny resabe etsy sy eroa maha voatonona ny anaran’ny filohan’ny antenimierampirerena (PAN) Christine Razanamahasoa

dia namoaka fanambarana fosialy omaly tolakandro ny avy ao amin’ity andrimpanjakana mpanao lalana ity tamin’ny alalan’ny Talen'ny fiarovana eto amin'ny, ny Général de Brigade Mamorisoa. Mampahafantatra sy manamafy izahay fa tsy misy miaramila na mpiambina manokan'ny Filohan'ny Antenimierampirenena voatifitra teny Andohanimandroseza ny talata 21 novambra lasa teo, hoy ny fanambarana.
MANALA TENA
Toa te hilaza ankolaka ny antenimierampirenena fa tsy misy idiran’ny filohany na ny kely aza iny raharaha iny. Nifamahofaho be ihany mantsy ny resaka hoe nisy mpiambina an’i Christine Razanamahasoa anisan’ireo voatifitra, satria nanakiaky ny trano fonenany no nisian’ny fifampitifirana ; teo aza ireo nilaza fa hoe saika ho any amin’ny filohan’ny antenimierampirenena ireto olona nandeha fiara ireto. Ny talen’ny fiarovana eo anivon’ny antemierampirenena aloha iny niteny iny , fa andrasan’ny maro izay mety hambaran-dRamatoa Christine Razanamahasoa. Mialoha kelin’ity raharaha Andohanimandroseza ity moa dia nisy feo niparitaka, na naparitaka milaza fa misy fikasana hisambotra an’i Profesora ranjeva sy Christine Razanamahasoa any ambadimbadika any. Efa nilaza ny manampahefana sy ny mpitandro filaminana fa tsy mitombina izany resaka izany. Be loatra ihany anefa ny fifandrifian-javatra, ka mahatonga io resabe etsy sy eroa io. Mahita ny olom-pirenena , indrindra fa ireo mpanara-baovao politika fa misy zavatra tsy mazava ity raharaha Andohanimandroseza ity.
(Sary fanehoana)
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT