Politique

Antenimierampirenena Tsy nasian’ny depiote sira ny olon’ny Minisitry ny serasera


  • Talata 13 Desambra 2022

Tsy noraharahian’ny solombavambahoaka ireo solontenan’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera tahaka ny Sekretera Jeneraly, Tale Jeneraly,

Tale tonga teny amin’ny Antenimieram-pirenena nandrindra ny fandinihana ny lalàna mikasika ny zon’ny mpamorona sy ny artista nolaniana tao amin’ny asam-baomiera. Raha ny tao anatin’ny laha-dinika ofisialy dia tokony tamin’ny 3 ora tolakandro no natao ny asam-baomiera mahakasika ny tolo-dalàna natolotry ny solombavambahoaka Rahasimananana Paul Bert, dia voalaza fa tsy nisy fahampahafantarana mialoha an’iretsy solontenan’ny Minisitera, saingy efa mailo ireo ka niandry teny an-toerana ny maraina. Raha ny voalazan'ny fitsipika anatin'ny Antenimieram-pirenena amin'ny andininy faha 53 dia tsy maintsy ampahafantarina ny governemanta ny lahadiniky ny asam-baomiera ary tsy maintsy manatrika sy mandray anjara amin'ny asam-baomiera izay mahakasika azy ny solon-tenan'ny governemanta. Misy adihevitra eo anivon’ny asam-baomiera. Tsy nomena fitenenana anefa ny ekipan'ny minisiteran'ny Serasera sy Kolontsaina, izay nitarika ny delegasiona nisolon-tena ny governemanta na dia nangataka aza. Ny fanazavan'ny solombavambahoaka Rahasimananana Paul Bert dia hoe efa nisy fitsipaham-pitokisana napetrak'ireo solombavambahoaka ka noho izany dia tsy mahazo miteny ny governemanta. Tsy navela niteny ny solontenan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tao anatin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna momba ny zon’ny mpamorona sy ny artista. Aminay ianareo efa mihantona, fa mihaino fotsiny ianareo ao anatin’ilay izy, hoy ny depiote. “Amiko aloha izay mpanara-baovao izay, dia mbola tsy nisy akory ny fifidianana ilay “motion de censure” ka tokony natao tsara araka ny tokony ho izy ny fandinihana. Tokony hisy ny tabilao fampitahana ny lalàna nisy sy ny fanavaozana, saingy tsy nomena an’izany fanavaozana izany izy ireo na nandefa fomba fijery aza ny governemanta”, hoy ny Tale Jeneralin’ny serasera Atoa Francis Razafiarison. Tsy nisy adihevitra koa mikasika ny votoatin’ny tolo-dalàna araka izany ka nilazan’ny ankilany fa ny voalazan’ny lalàna dia tokony hiadian-kevitra sy laniana isan’andininy ny tolo-dalàna ao anatin’ny asam-baomiera. Endrika iray manamafy indray ity, fa tapaka tanteraka ny tady eo amin’ny governemanta sy ny parlemanta, mihalalina ny krizin’andrim-panjakana. Marihina rahateo, fa ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina no toa lohalaharana tamin’ny fanakianana ny Antenimieram-pirenena sy ny filohany, ary ireo depiote, ka toa tonga izany ny valin-kafatra. Ny resaka OMDA izay miandraikitra ny resaka zon’ny mpamorona ihany koa moa efa ela ny fifandirana teo amin’io Minisitra io sy ny artista, ka anisany ny depiote Rossy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT