Antenimierampirenena

Tena hiady ho an’ny vahoaka sa andrim-panjakana saribakoly ?


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Ankoatra ilay fihaonana nikaton-trano tamin’ny Minisitry ny fitantanam-bola izay tsy nisy akony,

efa lany ny fandaharam-potoana teo anivon’ny Antenimierampirenena, ka ho an’ny omaly dia niompana tamin’ny fananganana kaomisionina sy mpikamban’ny birao isaky ny kaomisionina maharitra, izay voalaza fa hitohy anio. Hiroso amin’ny fananganana birao ho an’ny fiarahalahiana parlemantera ny alatsinainy izao hatramin’ny 24 oktobra,… Isan’ny fandaharam-potoana ao anatin’izao fivoriana izao ny fandaniana ny fifanarahana mikasika ny famatsiam-bolan’ny « fly-over Maki » ifanapahan’ny lalan’ny Frankofonia sy Boulevard de l’Europe. Efa an-taonany izay ny niresahana sy nanaovana serasera ny resaka fly-over sy ny filazana fanombohan’ny asa, ary minisitry ny asa vaventy aza efa maro no nifanolo teo, fa mandrak’ity izany ny androany mbola any amin’ny resaka fandanian’ny solombavambahoaka ny fifanarahana ny dingana. Anisan’ny hodinihina ihany koa ny volavolan-dalàna manova sy mameno ny lalàna momba ny ady amin’ny VIH/SIDA sy ny fiarovana ny zon’ireo olona mitondra izany. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny resaka fanomananana ny fihaonamben’ny SADEC, ny hanolorona ny tatitry ny tombana mikasika ny SNLCC (Système National de Lutte Contre la Corruption) 2015-2025 avy amin’ny Komity miaro ny fahintsiana, ary ny fanolorana ny tatitra avy amin’ny Kaomisionina nasionaly mahaleo tena mikasika ny zon’olombelona. Tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ao anatin’ny 3 herinandro voalohan’ny fivoriana ara-potoana hatreto ny fihaonana fametraham-panontanian’ny depiote amin’ny governemanta. Voafaritry ny lalàmpanorenana ny fanaovana an’io saingy efa tany amin’ny 2022 no nisiany farany. Na hisy an’izany ihany koa aza moa inona no antenaina ? Moa tsy fandokafana no betsaka na efa tsy mahomby aza ny governemanta ary na misy aza ny fanontaniana masiaka sy fitakiana famahana ny olam-bahoaka tsy efa mazava ve ny valiny fa fampanantenana no setriny betska? Ny azo antoka aloha dia tsy hampanano sarotra ny fitondrana Rajoelina ny mampandany izay tiany holaniana ao amin’ny fananany maro an’isa, saingy mandeha ihany koa ny fitakiana tombotsoa maro samihafa avy ao amin’ny antenimierampirenena. Asa tena mbola azo lazaina ho misolo vava sy hiady ho an’ny vahoaka tokoa ve indrindra fa ireo vondrona maro an’isa mpanohana fitondrana sa sanatrian’ny vava lasa antenimiera na parlemantera saribakoly na koa « boite au lettre » araka ilay fomba fitenin’ny mpanao politika sasany ka izay tonga ao lany avokoa ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT