Antenimierampirenena

Niongana ny birao maharitra, niakatra ho filoha i Siteny R


  • Alakamisy 16 Oktobra 2025

Niongana ny Filohan’ny Antenimierampirenena

Tokely Justin ka niakatra ho eo amin’izany toerana izany ny Filoha lefitra avy amin’ny fanoherana Siteny Randrianasoloniaiko. Araka ny andininy faha-16 amin’ny Fitsipika anatiny ao amin’ny Antenimierampirenena, izay mamaritra fa « Ankoatra ny Filoha lefitry ny fanoherana, dia azo esorina amin’ny andraikiny avy ireo mpikamban’ny Birao Maharitra, noho ny antony goavana, amin’ny alalan’ny latsabato iandanian’ny roa ampahatelon’ny Solombavambahoaka », hoy ny fanazavana. Notanterahina omaly 15 oktobra 2025 ity ny fifidianana fanesorana ireo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra ity, ka depiote 127 tamin’ireo 133 mpifidy no naneho fankatoavana, midika fa mihoatra ny roa ampahatelon’ny solombavam-bahoaka no nifidy ny fanesorana ireo mpikambana amin'ny Birao Maharitra, raha telo kosa no nifidy "Tsia", ary telo hafa no nanao vato fotsy sy tsy manan-kery. Rehefa nandeha ny fifidianana, lany ho Filoha vaovao i Siteny Randrianasoloniaiko izay kandida tokana rehefa niala an-daharana ny depiote Ahmad Ahmad. Depiote 94 tamin'ireo 104 tonga nifidy no nandany ny Filoha vaovao raha 6 kosa ny vato maty ary 4 ny vato fotsy. Mitsimbadika tanteraka aloha izany ny fifandanjan-kery ao Tsimbazaza satria na ny volomboasary aza niova. Taorian’ny fifidianana dia nandray ny solontenan’ny Gen Z ireo solombavambahoaka nihaino ny fangatahana sy ny hetaheta ary niara-nidinika tamin’izy ireo. Naharitra adiny 3 teo ho eo ny fifampiresahana ary mbola hitohy hatrany ny fifandraisana araka ny voalaza nandritra izany. Andrasana anio ny tohin’ny toe-draharaha ao Tsimbazaza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT