Mitohy ny toe-javatra kisampontsampona
ao amin'ny Antenimierampirenena. Nifanasa vangy na nifandrangitra ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko sy ny 𝖥𝗂𝗅𝗈𝗁𝖺 𝗅𝖾𝖿𝗂𝗍𝗋𝖺 𝖿𝖺𝗁𝖺𝖿𝗂𝗍𝗈 (𝖵𝖯𝖠𝖭 𝖿𝖺𝗁𝖺𝖿𝗂𝗍𝗈) 𝖾𝗈 𝖺𝗇𝗂𝗏𝗈𝗇'𝗇𝗒 𝖠𝗇𝗍𝖾𝗇𝗂𝗆𝗂𝖾𝗋𝖺𝗆𝗉𝗂𝗋𝖾𝗇𝖾𝗇𝖺, 𝖽𝖾𝗉𝗂𝗈𝗍𝖾 𝖬𝗂𝗅𝖺𝗏𝗈𝗇𝗃𝗒 𝖯𝗁𝗂𝗅𝗈𝖻𝖾𝗋𝗍, 𝗂𝗓𝖺𝗒 𝗏𝗈𝖺𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗍𝖺𝗈 𝖠𝗆𝖻𝗈𝗏𝗈𝗆𝖻𝖾 𝖠𝗇𝖽𝗋𝗈𝗒. Ity farany izay mafana fo sy anisan'ireo akanga sisa nanamborana miaro mafy an'i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga miampy ireo mpanao politika sy olom-boafidy volomboasary voarohirohy amin'ny afera maizina maro, ary tsy mitsahatra mitsipona sy mitsongoloka ny fomba hanakianana sy hamelezana ny Fanjakana Fanavaozana. Teo am-panolorana 𝗇𝗒 𝖺𝗇𝖺𝗋𝖺𝗇’𝗂𝗋𝖾𝗈 𝖽𝖾𝗉𝗂𝗈𝗍𝖾 𝗂𝗓𝖺𝗒 𝗁𝗂𝗍𝗈𝗇𝖽𝗋𝖺 𝖿𝖺𝗇𝗈𝗇𝗍𝖺𝗇𝗂𝖺𝗇𝖺 𝗁𝗈 𝖺𝗇’𝗂𝗋𝖾𝗈 𝖬𝗂𝗇𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝖺 no 𝗇𝖺𝗇𝖺𝗈 lohaten𝗒 mandrangitra ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko, izay toa sangisangy zary tenany. «...Ny mahagaga ahy dia ny anaran'i ho Lehiben'ny mpanohitra mandrakizay no voasariko voalohany. Marina fa tsy tenin'Andriamanitra rahalahy, fa vavako tamin'Andriamanitra ilay izy fa efa nomeko anao io andraikitra io, napetrako taminao, enga anie ho mandrakizay mandrakizay ianareo ho mpanohitra ary ho mandrakizay mandrakizay izahay hitondra ity Fitondrana ity.", hoy ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko. 𝖭𝖺𝗆𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗇’𝗂𝗈 𝗍𝖾𝗇𝗒 𝗂𝗈 𝗂𝗁𝖺𝗇𝗒 𝗄𝗈𝖺 𝖺𝗇𝖾𝖿𝖺 𝗇𝗒 𝖽𝖾𝗉𝗂𝗈𝗍𝖾 𝖬𝗂𝗅𝖺𝗏𝗈𝗇𝗃𝗒 Philobert, raha nitafa tamin'ny 𝗆𝗉𝖺𝗇𝖺𝗈 𝗀𝖺𝗓𝖾𝗍𝗒 ka 𝗇𝗂𝗅𝖺𝗓𝖺 𝖿𝖺 𝗍𝗌𝗒 𝗂 𝖲𝗂𝗍𝖾𝗇𝗒 (𝖯𝖠𝖭) 𝗆𝗂𝗁𝗂𝗍𝗌𝗒 𝗇𝗈 𝗁𝖺𝗆𝖺𝗋𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗇𝗒 𝖺𝗆𝗉𝗂𝗍𝗌𝗈𝗇𝗒 𝖿𝖺 𝖠𝗇𝖽𝗋𝗂𝖺𝗆𝖺𝗇𝗂𝗍𝗋𝖺. "Tsy tenin'Andriamanitra hoy izy ny tenin'ny PAN, tsy manana fahefana feno izy ka hamaritra ny ho aviko,...", hoy i Milavonjy Philobert. Asa na taratry ny demokrasia araka ny filazana fa "lapan'ny demokrasia" ny ao an-toerana na taratry ny fidinan'ny lentan'ny fanaovana politika? Ity andrim-panjakana ity izay tsy vao izao no nisehoana trangan-javatra hafahafa manaratsy endrika ny fanaovana politika. Betsaka ny toe-javatra manaratsy endrika ilay fitondram-panjakana toa nisy fotoana efa lapan'ny malety, lapan'ny fisolelahana, lapan'ny famadihana palitao, lapan'ny mpanao afera sy kolikoly, lapa fialokalofan'ny mafia,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.