Politique

Antenimierampirenena Mitohy ampamoaka, mitombo ny ady an-trano


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Mitohy ny karazana fifamelezana ao amin’ny Antenimierampirenena taorian’ny fitsipaham-pitokisana nitsefotra. Toa tsy voalamina ao anatiny intsony, fa tena mifanasa vangy sy mifanao ampamoaka.

Taorian’ny depiote Milavonjy Philobert sy ny namany hafa, nilaza ihany koa ny depiote Mamangy Norbert fa “ny tena olana, tsy dia resaka fitsipaham-pitokisana fa ny fitantanana tsy mazava. Hatramin’izay mahazo solika manomboka ny faha-5 volana. Ny 5 desambra 2022 dia tsy nahazo, nolazaina fa tsy fahampian’ny tetibola mety ho tonga amin’ny tsy fahazoana karama”, hoy io depiote io. Nambarany fa nahilika tany amin’ny governemanta hoe: tsy mahazo vola, ka nampiantso ny ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny vola ny antenimierampirenena. Hatramin’izay 38 miliara Ar ampy anay tsy nisy olana, ka nahoana aty amin’ny 79 miliara Ar no tsy ampy, ary nahiana tsy hahazo karama? Hoy izy. Fanaronana io vola tsy mazava io no anton'ilay raharaha fikasana hanao latsabato fitsipaham-pitokisana ny Governemanta, hoy ity depiote ity. Misy Kestora mampiasa solika 34 000 000Ar, misy quota manokana 173 000 000Ar,… Tsy afa-miala amin’ny raharaham-pitantanana tsy mety ny Filohan’ny Antenimierampirenena, hoy ny depiote Mamangy Norbert. Depiote maromaro no nanao tohivakana nanao io karazana ampamoaka io izay mitovitovy, fa ny aty andaniny ihany koa, dia misy ireo tonga fofona mamaly bontana an’izany, tahaka ny depiote IRD Rahasimanana Norbert sy Naivo Raholdina. Toa mifamely ny samy ao Tsimbazaza ankoatra ny adin’I Tsimbazaza sy Mahazoarivo, fa izay fiainam-bahoaka: vidim-piainana midangana, tsy fandriampahalemana sesilany, famoronan’asa tsy misy, toekarena mihemotra,… izany tsy misy mpiraharaha, ary ilay fiampangana mirakitra izany nataon’ny depiote aza efa nodiana mitapy satria ny baikon’ny filoha no ambony dia ny hanatsaharana ny fitsipahana na tsy mahomby aza. Rehefa zohiana, samy manao ny ataony, samy tsy mahavita ny andraikiny na depiote indrindra ireo mpiara-dia amin’ny Filoha, na ny governemanta!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT