Antenimierampirenena

Miantso ireo tsy miankina hanambatra hery i Gascar Fenosoa


  • Zoma 28 Jona 2024

Anisan’ireo endrika vaovao ho tazana eo anivon’ny Antenimierampirenena manomboka izao ny depiote Gascar Fenosoa,

voafidy tao amin’ny Boriborintany Fahatelo eto Antananarivo. Naneho fisaorana ny vahoaka, ary nidera ny fahasahian’izy ireo nanova sary politika nipetraka teto an-drenivohitra nandritra ny 20 taona mahery satria nisafidy kandida tsy miankina. Tsy nisy kandida tsy miankina tafiditra na nahazo toerana teto Antananarivo tao anatin’izay 20 taona izay raha ny nambarany, ka nilazany fa fahasahiana lehibe ny nataon’ny vahoakan’ny Boriborintany fahatelo. Nilaza hidina hifotony hitety ny tokantrano haneho fisaorana moa ity farany. Nanome toky noho izany ny tenany, fa tamin’ny anaran’ny tsy miankina no nisafidianan’ny vahoaka azy, ka depiote avy amin’ny tsy miankina no ho tazana eny Tsimbazaza fa tsy Gascar miloko loko politika. Ara-politika, niantso ireo depiote tsy mianikina hivondrona sy hanambatra hery i Gascar Fenosoa. « Matoa depiote isika lany tamin’ny tsy miankina, dia ny maha tsy miankina no nisafidianan’ny vahoaka. Miantso antsika, andao hanangana vondrona parlemantera matanjaka. Ny tsy miankina hatramin’izay no isan’ny nanimba ny endriky ny antenimierampirenena, ka andao hovaintsika ny tantara manomboka eto. », hoy ity depiote izay mpanao gazety teo aloha ity. Manodidina ny 50 eo moa ireo kandida lany tamin’ny tsy miankina, ka andrasana ny sary hiseho hoe : hivondrona ho vondrona parlemantera iray sa hisy hiova loka sahady. Misy mantsy ireo re siosio fa efa misarizoro amin’ny volomboasary.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT