Politique

Antenimierampirenena Ketrehana indray ny fanonganana ny birao maharitra ?


  • Zoma 16 Desambra 2022

Mbola tsy milamina ny toe-draharaha ao Tsimbazaza. Resaka fanonganana Filohan’ny Antenimiera sy Birao maharitra indray no mieloelo ao Tsimbazaza taorian’ny fitsipaham-pitokisana nitsefotra sy ny ampamoaka samihafa

mikasika ny ahiahy ara-pitantanam-bola nataon’ny depiote sasany toy ny depioten’Ambovombe Milavonjy sy ny Depioten’i Sambava Mamangy Norbert, ary ireo namany ankliany. Hifarana anio 16 desambra ny fivoriana ara-potoana, saingy misy miketrika fangatahana hanao fivoriana tsy ara-potoana, ary misy hafatra eo amin’ny samy depiote, saingy tsy fantatra ny tena niandohany, hoy ireo depiote. Ny ahiahy momba ny fitantanam-bola, toy ny voalazan’ny mpitantam-bola fa mety tsy handray karama volana desambra no isan’ny olana, raha toa ka milaza ny governemanta fa efa nalefa ny vola. Misy andiany depiote noho izany voalaza fa miketrika fanonganana ny Birao maharitra indrindra fa ny Filohan’ny Antenimiera Christine Razanamahasoa sy Kestora voalohany Jean Michel Henri, ary avy any amin’ny governemanta sy olobe isan’ny efa tao ambadiky ny tery sy baiko nanatsaharana ilay fitsipaham-pitokisana no voalaza fa ao ambadik’ity resaka ity. “Misy porofo azo entina sy lazaina eto, misy namana milaza fa mahatoky ny fitantanana, izay tsy misakana azy hahatoky satria mety fizarana misy tongaa ny aminy dia tsy ferana izy raha miteny an’izany. Ho anay izay tsy mahatoky kosa dia miantso ny fitsirihana na « inspéction générale » atao amin’io andrim-panjakana io mikasika ny fitantanana”, hoy ny Depiote Milavonjy Philobert tao amin’ny TVM ny alahady lasa teo. Nambara fa 39 miliara Ar ny tetibola tamin’ny 2019, raha toa ka 79 ankehitriny kanefa mbola misy resaka mety ho tsy fahazoana karama desambra ankoatra ny tombotsoa samihafa. Nolazainy fa any amin’ny 176 000 000 Ar isam-bolana ny solika misoratra amin’ny Kestora voalohany, ka niantsony fa aleo andeha ny “audit” na ny “inspection” dia eo no ahitana ny marina. Niresaka momba an’io ihany koa ny depiote Mamangy Norbert, ary nilaza fa tsy afa-miala amin’io ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Omaly kosa, nipoitra ny Kestora faharoa Lanto Rakotomanga. “Misy ny resaka izay mandeha momba ny tetibola, misy ny resaka “quota carburant” ka aleo zavatra mitombina sy marina no avoaka. Misy ny tatitra izay ataon’ny Kestora voalohany Jean Michel Henri afaka atao eny amin’ny Kaomisionin’ny vola. Misy ny mpanara-maso azo alefa ao amin’ny Antenimiera ahafahana mijery izany.”, hoy io depiote io. Hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT