Antenimierampirenena

Hilamina ve ilay toerana Filoha lefitra fahafito ?


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Ny talata faharoa aorian’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana no mivory voalohany

manangana ny Birao maharitra sy ny vaomiera ny solombavambahoaka araka ny andininy faha-78 amin’ny lalàmpanorenana, ka andrasana ihany koa ny ho fisehony amin’ilay endriny vaovao izay niakatra ho 163 ny isany. Amin’ny 9 jolay izao io ka dia miandry ny rehetra hoe : iza no ho Filohan’ny Antenimierampirenena vaovao ? Hanao ahoana ny ho firafitry ny birao ? Voafaritra ao anatin’io ihany koa ny toeran’ny filoha lefitra faha-7 avy amin’ny fanoherana, izay tsy nety tafapetraka tao anatin’ilay taom-piasana farany teo noho ny adihevitra samihafa toy ny famaritana fa tsy maintsy depiote ? Ny andininy faha-14 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra ny fifidianana izay ho lehiben’ny mpanohitra aorian’ny fahavitan’ny fifidianana, ka raha tsy misy ny marimaritra iraisana dia ny vondrona politika mpanohitra mahazo depiote betsaka indrindra no manendry izany. Adiheveritra tsy nety vita anefa ny fametrahana izany tao anatin’ny taom-piasan’ny depiote farany teo, ka ny Antoko TIM tamin’izany, dia nivoy fa efa misy ny lalàna 2011-013 izay mifehy ny satan'ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra. Efa "promulguée" io izany hoe manan-kery, ka hany sisa tsy nahafahana nanatanteraka azy ny tsy fisian'ny didy fampiharana na "décret d'application". Toa nisy fifangaroana ihany koa ny fanoherana eo anivon’ny parlemanta sy ny fanoherana ankampobeny satria tao ny hoe : ny kandida Filoha nahazo vato be indrindra, raha toa ka nisy kosa ny fidrikinana tetsy Tsimbazaza fa tokony ho depiote sy olom-boafidy ny lojika ao amin’io andrim-panjakana io, ka niteraka fikitihana sy fanovana ilay lalàna. Iza izany no mety hahazo an’io ao anatin’ny fanoherana ? Hipetraka ve hoe : Atoa Siteny Randrianasoloniaiko izay filoha mpiara-mitantana ao anatin’ny Vovonana Firaisankina izay kandida filoham-pirenena farany teo ? Sa mbola hifidy hafa amin’ireo kandida lany tamin’ny Firaisankina izay ny TIM no manana maro an’isa mitaha amin’ny Pro-Siteny raha hoentina any amin’ny lafiny antoko?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT