Antenimieramierampirenena

Minisitra teo aloha avokoa ny PAN sy VPAN 5


  • Zoma 12 Jolay 2024

Ankoatra ny Filohan’ny Antenimierampirenena izay voafidy omaly, dia efa voafidy

omaly tolakandro ihany koa ireo Filoha Lefitra miisa 6 isan’ny mandrafitra ny Birao maharitra. Ireto avy izy ireo : Filoha lefitry ny Faritanin’Antananarivo : Augustin Andriamananoro; Toliara : Tinoka Roberto ; Fianarantsoa : Fomendraza Haingo Elysette ; Toamasina : Naharimamy Irmah ; Antsiranana: Mamangy Norbert ; Mahajanga : Soafilira Princia. Naharimamy Irmah irery no Filoha lefitra tafaverina, fa voahilika avokoa ny hafa toa an’i Naivo Raholdina izay tena nampiteny ny anarany tamin’io toerana io. Efa Minisitry avokoa ny 6 amin’ireo Birao ankoatra an’i Mamangy Norbert, ka minisitry ny mponina avokoa ireo vehivavy telo, ary samy ao anaty birao avokoa ny depiote roa tsy nisy mpifaninana tany Sambava dia ny PAN Tokely Justin sy ny VPAN Antsiranana Mamangy Norbert. Raha nisy ny fifandonana sy fifamaliana teo amin’i Gascar Fenosoa sy Siteny Randrianasoloniaiko andaniny, ary Tinoka Roberto ankilany nandritra adihevitra momba ny fitsipika anatiny teo amin’ny famaritana ny isan’ny depiote mandrafitra Vondrona Parlemantera izay 15 no nokasain’ny IRMAR izay tsy nakasitrahan’ny andaniny ka nahatonga an’i Gascar Fenosoa nitsangana nandehandeha, dia naneho fifamelana omaly, ary niantso ny rehetra hifidy an’i Tinoka i Siteny. Andrasana moa ny Filoha lefitra faha-7 avy amin’ny mpanohitra, izay i Siteny Randrianasoloniaiko, raha ny feo mandeha. Omaly ihany koa no nofidiana ny mpampaka-teny, kestora miisa 3, saingy mbola tao anatin’ny fifidianana tamin’ny fotoana nanoratana. Anio ny fifidianana ireo Filoham-baomiera ka andrasana hoe : firy ny mba mety ho toerana omena ny mpanohitra ? Nialohan’ireo fametrahana olona, dia nisy ny fanintsiana sy fandaniana ny fitsipika anatiny, ka andininy miisa 19 tamin’ny fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena no nokitihina tamin’ny asam-baomiera ka ny 18 amin’ireo no nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana. Isan’izany ny andininy faha-2 mahakasika ny fampitomboana ny isan’ireo Solombavambahoaka ho 163 satria raha 151 izany teo aloha. Voakitika ihany koa ny andininy faha-14 izay mikasika ny filoha-lefitra faha-7 ho an’ny mpanohitra izay notsipihina fa tsy maintsy solombavambahoaka. Ny andininy faha-91 izay araka ny voalazan’ny tatitry ny asam-baomiera fa « noho ny fahitana ny fanomezana alalana hifidy na délégation de vote maro dia maro nandritra ilay “motion de censure” farany teo kanefa tsy nahitana porofo ny fahamarinan’ilay “délégation de vote” ka mety ho hosoka izany. Nankatoavin’ny HCC ny fanintsiana ankoatra ny fikitihana ny famaritana ny fitsipaham-pitokisana izay nambara fa mifanohitra amin’ny andininy faha-103 amin’ny lalàmpanorenana ny fanovana miendrika fanomezana fahefana ny Sekretera Jeneraly hanamarina fa mitombina na tsia ny tolo-kevitra fitsipaham-pitokisana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT