Nosokafan’ny filohan’ny Antenimeram-pirenena Malagasy am-perinasa, Rakotomamonjy Jean Max, omaly talata 1 mey ny fivoriana ara-potoana voalohany fanaon’ity rafitra mpanao lalàna ity.
Fototry ny asan’ireo solombavambahoaka ny fanatrehana an’izany fivoriana ara-potoana izany. Omaly anefa zara fa nisy depiote tao an’efitrano fivoriana. Efa nanambara teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ireo depioten’ny fanovana fa tsy hanatrika an’ity fotoam-panokafana ity ary dia notanterahin’izy 73 mianadahy tokoa. Ireo depiote nandany an’ireo volavolan-dalàna fehizoro nampisy ny olana aza izay voalaza fa mahatratra 79 dia tsy nisy afa-tsy 30 latsaka kely monja no nanatrika tao. 7 minitra no naharetan’ny kabary nataon’Atoa Rakotomamonjy Jean Max izay nilaza fa raha tety Tsimbazaza no nisehoan’ny olana misy ankehitriny dia ety ihany koa no mety hamahana azy. Miantso anareo namana solombavambahoaka rehetra ny tenako mba hiverina ety an-dapa, hoy izy, fa manina anareo izahay. Ny praiminisitra Solonandrasana Olivier koa teo am-pivoahana ny lapan’i Tsimbazaza dia nanambara fa tsy fotoana hifandrangintana intsony izao na fanambarana ny ny diso sy marina fa mila dinika an-databatra boribory hibanjinana ny tombontsoan’ny firenena. Mila fahatoniana isika ankehitriny satria tsy an’olon-drery i Madagasikara fa antsika rehetra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.