Solombavambahoakan’i Madagasikara latsaky ny 20 isa no tonga nanatrika ny fivoriana nitambarambe nandaniana ny volavolam-pandaharam-potoana ny alakamisy 5 aprily ka hatramin’ny alatsinainy 12 aprily 2018 natolotry ny diniky ny filoha omaly 10 aprily.
Sambany mba nanomboka ara-potoana ny fivoriana izay notarihan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max. Raha volavolan-dalàna 3 no tokony handraisan’ireo depiote fanapahan-kevitra, amin’izao fivoriana tsy ara-potoana faha-4 izao, dia lanin’ny rehetra noho ny fangatahan’ny depiote Mara Niarisy Ankazoabo fa hajanona amin’ny fotom-pivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity izay hotontosaina amin’ny volana mey 2018 ho avy izao ny fandaniana ny volavolan-dalàna n°015/2017 mikasika ny “recouvrement et affectation d’avoirs illicites sy ny volavolan-dalàna n°054/2017 mikasika ny “lute contre le blanchiment de capitaux et le financement du terrorisme. Sisa hiadian-kevitra sy holaniana anaty fivoriana itambarambe anio alarobia 11 aprily 2018 maraina ny volavolan-dalàna n°002/2018 manova sy mameno ny lalàna n°2014-020 mikasika ny “ressources des Collectivités Territoriles Décentralisées, aux modalités d’élection, ainsi qu’à l’organisation au fonctionnement et aux attributions de leurs organes”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.