Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny governemanta avy amin’ny tolo-kevitra naroson’ny praiminisitra Mahafaly Olivier omaly marainan’ny alarobia 4 martsa 2018 dia antsoina hiatrika fivoriana tsy ara-potoana andiany faha-4
amin’ity taona ity ireo Parlemanta Malagasy manomboka anio alakamisy 5 aprily 2018 handinika sy handany indray an’ireo volavolan-dalàna fehizoro 3 rehefa nalefa nodinihan’ny Antenimierandoholona ary handinika ihany koa an’ireo vary mangatsiaka 3 hafa dia ny volavolandalàna manodidina ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny “financement du terrorisme” sy ny volavolan-dalàna mikasika ny “recouvrement et l’affectation d’avoirs illicites” ary ny volavolan-dalàna mikasika ny fanitsiana sy fanoloana ny “ressources de Colléctivité Territoriales Décentralisées aux modalité d’élections, ainsi qu’à l’organisation, a fonctionnement et aux attributions de leurs organes”. Ho an’ny eny Tsimbazaza manokana dia amin’ny 3 ora hariva ny fotoam-panokafana ofisialy anio. Rehefa tena lany tanteraka ireo volavolan-dalàna fehizoro 3 ireo dia afaka manantanteraka fifidianana amin’ity taona 2018 ity amin’izay isika Malagasy, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles lany tany amin’ny distrikan’i Moramanga. Izy ireo akory, hoy izy, tsy hoe lany fe lany fotsiny amn’izao fa nifandraika tanteraka avy tamin’ny soso-kevitra natolotr’ireo mpanao politika Malagasy sy ny soso-kevitra naroson’ny fiarahamonim-pirenena ihany koa ary nisy ny fandinihana tamin’ny antsipirihany an’ireo fanitsiana niisa 87 nataon’ny vaomiera nandinika azy ireo ka nisy ny notazomina ary nisy ihany koa anefa ireo tsy noraisina mihitsy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.