Politique

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera


  • Talata 20 Aogositra 2019

Nahena ny isan’ny vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimieram-pirenena, araka ny fanovana tao anatin’ny fitsipika anatiny nolaniana tamin’ny tsangan-tanana omaly.

 

 Tapaka fa 15 farafahakeliny ny depiote afaka mandrafitra vondrona parlemantera iray, raha 5 farafahakeliny teo aloha. Mety ho 4 eo farafahabetsany ny Vondrona Parlemantera hitsangana eny Tsimbazaza, dia ny IRD, TIM, GPR, ary vondrona iray hafa. Tsy voatery hiditra anaty vondrona parlemantera anefa ny depiote. Ketrehina eny amin’io antenimiera io ihany koa amin’izao ny fahazoana fisotroan-dronono. Ho an’ny anio, dia ny lalàna momba ny fanoherana no holanian’ireo solombavambahoaka. Io izay misy adihevitra goavana amin’izao fotoana izao noho ilay lalàna 2011-013 efa nankatoavina, fa tsy nampiharina. Mizotra mankany amin’ny fanilihana an’i Marc Ravalomanana tsy ho lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena hitana ny toeran’ny filoha lefitra fahafito io, ka hivoizana indray ankehitriny fa parlemantera no tokony hahazo io toerana io. Efa nanangana ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara kosa anefa ireo antoko mpanohitra miisa 21, ka nahalany an’i Marc Ravalomanana ho filohany. Manana endrika nasionaly io, ary manohitra tanteraka ny fikitihana ny sata mifehy ny mpanohitra sy nampahafantatra izany tamin’ny SADC, rafitra iraisam-pirenena misy an’i Madagasikara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT