Politique

Antenimieram-pirenena Mitohy ny fampideram-pananana


  • Talata 10 Novambra 2015

Ao anatin’ny fiatrehan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara ny fivoriana ara-potoana faharoa amin’ity taona 2015 ity dia mitohy eny an-toerana ny « salon de l’auto ». Araka ny tazana dia tahaka ireny mifaninana amin’ny fitondrana fiara raitra sady hiaka farany misy ireo depiote tonga miatrika ny fivoriana eny

 

. Mahafinaritra sy mahavalalanina ny mahita an’ireo fiara ireo amin’ny ankapobeny ary mahavelombolo ny maro fa efa anisan’ny azo kilasiana ho anisan’ireo Malagasy mpanankarena indrindra eto an-toerana ny ankamaroan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara am-perinasa. Sisa handrasana, hoy ny senton’ny mpitazana, ny handrafetan’izy ireo volavolan-dalàna mba hahazoan’ny vahoaka malagasy mitrandraka ara-drariny ny harem-pireneny mba hampiakatra ny faripiainan’ny tsirairay miaina eto amin’ity nosy ambara mandrakariva fa feno harena nefa ahitana vahoaka fadiranovana sy miaina anaty fahantrana lalina.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT