Nifarana omaly alarobia 24 jolay rehefa naharitra herinandro ny fivorian’ireo solombavambahoaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza.
Amin’ny ankapobeny, nanaraka ny lamina napetraka ny fandaharam-potoana satria vita soa amantsara ny fifidianana birao maharitra dia ny filoha, ny filoha lefitra enina, kestora telo, ireo mpampaka-teny. Teo ihany koa ny fananganana ireo vaomiera maharitra. Tanjona, hoy ny filohany, Christine Razanamahasoa ny hampiakatra ny lanjan’izy ity. Voahaja ny tanteraka ny voalazan’ny and. 74 sy faha 78 ao anatin’ny lalàmapanorenana ary koa ny and. 12 sy 13 ao anatin’ny fitsipika anatiny mifehy ny antenimieram-pirenena, hoy izy. Nitodika tany amin’ireo filoham-baomiera ny filoha ka nilaza fa andry iankinan’ny fanajan-dalàna sy fanaraha-maso ny asan’ny fanjakana ary ireo tomban’ezaka samihafa amin’ny politikam-panjakana amin’ny ankapobeny izy ireo. Re moa omaly hariva fa mbola hisy indray ny fivoriana tsy ara-potoana iray hafa handinihana ireo lalàna maika hampandehanana ny raharaham-panjakana sy ny firenena, efa tafajoro rahateo ny governemanta.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.