Politique

Antenimieram-pirenena Mamofompofona fitsipaham-pitokisana indray


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Mamofompofona fitsipaham-pitokisana na “motion de censure” indray etsy amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ka asa izay hiafarany na ho tonga hatramin’ny farany na ahoana?

Voalaza raha ny resaka mifamahofaho mivoaka ao Tsimbazaza fa tsy mahafaly io andrim-panjakana io ny fikitikitihana ny ara-bolany na ny “Restruction budgètaire”. Toa miharihary hatrany ny olana ara-bola ho an’ny Fanjakana, ka taorian’ny tetsy amin’ny Lapan’Anosikely izay misy fahatarana sy tsy fahazahoana karama ary voalaza fa tsy voaloa ihany koa ny solika, dia toa mitady handalo olana ihany koa I Tsimbazaza. Ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny toekarena sy ny vola no mety hifaharan’ny rihitra, ary mandeha ny feo ao Tsimbazaza ao Tsimbazaza fa ambony ny herijika mety hahatrarana ny “Quorum” na isan’ny depiote takiana ahafahana manao io fitsipahana io. Ara-politika, ratsiratsy toerana ny Praiminisitra Ntsay Christian hatramin’ny ela, saingy tsy nihontsona aloha hatreto. Miverina mandeha indray ny resaka amin’ny mety hanoloana azy, tadiavina hatao sorona politika eo anatrehan’ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana. Ho tonga amin’izany ve ny raharaha sa mbola hitondra ny baolina hatrany amin’ny fifidianana ity Praiminisitra nipoitra taorian’ny tolon’ny depiote 73 izay niantsoroka ny fifidianana filoha farany teo ity? Ho tafapetraka ve ny Praiminisitra politisianina kokoa ka hahilika ity fonksionera iraisam-pirenena nalaza tany am-piandohana ho olon’ny Vondrona Iraisam-pirenena? Raha ny fandaharam-potoana etsy amin’ny Antenimiera, rahampitso 8 desambra ary mitohy ny 9 desambra ny fihaonana eo amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ka dia ho hita eo izay hiseho sy hitranga. Raha ny lafiny ara-toakerana sy sosialy, sempotra tanteraka ny Fanjakana Rajoelina, ary isan’ny lesoka mazava ho azy ny governemanta. Tsikaritra ho tsy sahy mikitika sy manala mivantana ny Praiminisitra anefa ny Filoha, fa matetika miainga etsy Tsimbazaza ny fanozongozonana. Matetika ihany koa anefa rehefa misy zavatra takiana na tombotsoa no mivoaka ity resaka fitsipaham-pitokisana ity, ary mijanona rehefa misy ny fifanomezan-toky amin’ny endriny samihafa ka asa indray aloha izay hiafarany
? Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT