Politique

Antenimieram-pirenena IRD avokoa ny filoha lefitra 6


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Voafidy omaly alarobia 17 jolay hariva ireo filoha lefitra miisa 6 handrafitra ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena, ka depiote lany tamin’ny anaran’ny IRD avokoa izy ireo.

 

 Rasolonjatovo Honoré na Papasolo, depiote voafidy tany Faratsiho no voafidy ho filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antananarivo, Rtoa Angelica Michelle voafidy tany Fenoarivo Atsinanana ho an’ny Faritanin’i Toamasina, Rtoa Jocelyne Rahelihanta voafidy tao Antsiranana I ho an’ny faritanin’Antsiranana, Rahantanirina Lalao lany tao Mahajanga I ho an’i Mahajanga, Rabenirina Jean Jacques voafidy tany Betioky Atsimo ho an’i Toliara, ary Razafitsiandraofa Jean Brunelle voafidy tany Ikongo kosa ho an’i Fianarantsoa. Tsy misy avy amin’ny TIM na ny tsy miankina aloha izany hatreto ao anatin’ny Birao maharitra, ka ho hita eo ny tohiny amin’ny fifidianana Kestora miisa 3 sy mpampaka-teny miisa 2, izay mety ho anio. Raha ny valandresaka nifanaovana tamin-dRtoa Hanitra Razafimanantsoa avy amin’ny TIM omaly atoandro kosa, dia ny fitsipika anatiny sy ny lalàna mahakasika ny antenimieram-pirenena no milaza tsara fa ny Birao maharitra, dia tokony hahitana ny hery politika rehetra ao amin’ny antenimiera, ka tsy azo tsinontsinoavina izany TIM izany, fa tena hery lehibe. Tsy hoe efa manana ny toeran’ny Filoha mpanohitra izay filoha lefitr’io andrim-panjakana io izy, dia mijanona amin’izao, fa raha misy toerana hahafahany miditra hampanjaka ny demokrasia sy ny hasin’ny antenimieram-pirenena dia hidiranay raha misy fifandresen-dahatra azo atao momba izany, hoy izy. Rehefa hoe halainy ho azy daholo dia azy izany, saingy fantatsika fa manahirana io. Efa hita teto izany hoe: rehefa antoko iray fotsiny no mitantana ny antemieram-pirenena tsy misy adihevitra sy fihainoana ny vitsy an’isa ka tsy mipetraka ny demokrasia, hoy ity depiote ity. Andrasana izay ho tohiny.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT